• Cours de change
  • 5048.02 AR
  • |
  • $4498.02 AR
Copyright Image : © Goverinoran'Ny Faritra Atsimo Atsinanana
Image
Vaovao

Faritra Atsimo Atsinanana : Atrikasa hahafahana manalefaka ny fiantraikan’ny loza voajanahary sy ara-tsosialy

21/03/2025 11:21 © Moov

Notanterahina tao Farafangana ny atrikasa fakan-kevitra hanomanana ny tetikasa CERP na " Contingent de Réponses aux Urgences " (Contingent Emergency Réponse Project). Tanjon’izany ny hikarohana ireo fomba hanalefahana ny mety ho vokadratsin’ny loza voajanahary. Tompon’andraikitra isan-tsokajiny no tonga nanolotra ny heviny samihafa ho amin’izany tanjona izany.

Isan’ny nanotrona ny Solontenan'i Préfet an’i Farafangana, Mamitina Elysée, ny Ben' ny tananan'ny kaominina ambonivohitr'i Farafangana, Razafiharimanana Jules, ireo " Assistant Parlemantaire. Nandray anjara ihany koa ireo Solombavambahoaka mianadahy voafidy tao anatin'ny Distrikan' i Farafangana, ny Député Velomihoatra Painchard, sy Raby Savatsarah Ain' Harimanga na i Mamatsara, ary ny Lehiben' ny Sampandraharaha eo anivon' ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina Atsimo Atsinanana, Andriamatoa Mampionona Bois Joli.

Atsimo Atsinanana : miaina loza voajanahary maro

Nambaran' i Goverinoran' ny Faritra Atsimo Atsinanana fa efa volana maromaro ny Faritra no niaina tao anatin' ny haintany, nodimbiasan'ny ranobe vokatry ny rivodoza. Teo ihany koa ny loza avy amin’ny fihetsiky ny olombelona toy ny haintrano sy ny doro tanety…Araka izany, ity fakan-kevitra ity dia hahafahana miatrika ireo loza tampoka ireo. Tanjona ihany koa mantsy ny mba hanatsara ny tetikasa hahafahana misoroka mialoha sy manalefaka ny mety ho voka-dratsin'ny loza. Ity tetikasa CERP ity moa, raha tsiahivina, dia tetikasa hahafahana manetsika famatsiam-bola haingana hiatrehana ny loza sy ny voina ao anatin' ny hamehana. Araka izany, tena ilaina ny hevitry ny mpandray anjara rehetra mba hahafahana manatanteraka ny fidinana an-tsehatra farany izay haingana.

Hiparitaka manerana ny Nosy

Tetikasan' ny Governemanta vatsian' ny banky iraisam# pirenena vola, mandritra ny 6 taona ny CERP. Ny FID kosa no mpanatanteraka ny asa amin' izany eny amin' ny Faritra voakasiky ny loza na voina. Ankoatra ny Faritra Atsimo Atsinanana dia efa nisy ihany koa ny fakan-kevitra tany amin’ny faritra Atsinanana.
Manan-danja ho an'i Madagasikara izy io satria natao hanomezana fanohanana ara-bola haingana sy mora azo aorian'ny loza. Mety hahetsiky ny governemanta izany amin'ny alalan'ny fanambarana ofisialy fa hisy hamehana na loza mety hitranga, miaraka amin’ny fanambarana ny drafitry ny vonjy taitra nasionaly. Ny CERP dia ahafahan'ny firenena manetsika haingana ireo loharanon-karena mba hamaliana ny filana eo no ho eo, hanalefahana ny fiantraikan’ny loza ary hanohana ny ezaka fanarenana.

Lire la suite

Articles Similaires