Andro ratsy ao Avaratry ny Nosy : Efa nivoaka an-dranomasina. Dibo-drano i Sambava sy Andapa
Efa nandalo ny faritra avaratr'i Madagasikara ilay "Dépression Tropicale". Tafavoaka an-dranomasina soa aman-tsara izy, saingy namela takaitra ho an'ny toerana maro any Avaratra. Dibo-drano tanteraka i Sambava sy Andapa.
Niditra an-tanety tany amin’ny distrikan’i Sambava omaly 7 marsa tamin’ny manodidina ny 11 ora alina ilay andro ratsy. Ny maraina teo kosa, tokony tamin'ny 6 ora maraina izy no nivoakaan-dranomasina. Nandritra ny adiny 7 be izao io andro ratsy io no nitondra rivotra sy orana be tany amin'ny tapany Avaratry ny Nosy. Vokatr'izany, niakatra be ny rano tamin'ny toerana maro, ka anisan'izany i Sambava sy Andapa. Miakatra be ihany koa ny rano any Maroantsetra.
Mbola hitondra orambe sy rivo-mahery
Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny 55 Km avaratr’i Analalava no misy ny foibeny. 55 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 75 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 20 Km/ora. Mbola hitombo hery io andro ratsy io ka heverina hivadika rivodoza ato anatin'ny 24 ora manaraka.
Hitohy ny rotsakorana (50 hatramin’ny 100mm/24 ora) any amin’ny faritra avaratra, ny morontsiraka avaratra andrefana fa indrindra ny ilany afovoany atsinanan’ny Nosy.
Mety mbola hisy fiakarany ny renirano sy ny ranomasina, ka handrakotra tanàna maro. Samy ampitandremana ireo faritra voakasika amin'ny fiotsahan'ny tany sy ny lalana.
-Fahamailoana miloko manga : Diana, Sava, Sofia ary Ambatosoa
-Fanairana miloko maintso : Boeny sy Besalampy.
Voarara ny fampiasana ranomasina
Entanina ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Antsiranana hatrany Mahanoro sy ny morontsiraka avaratra andrefana manontolo mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza.
Hanonja be na hahery ny ranomasina, hahery be any amin’ny ilany avaratra andrefana. Tombanana ho 2.5/3m ny haavon’ny onja eo anelanelan’ny tanjona Bobaomby sy Mahanoro. Hahatratra 3/4.5m any amin’ny morontsiraka avaratra andrefana.