• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Tr
Image
Vaovao

Famonoana ny Rasazy Narindra : Olona 17 voarohirohy, ka anisan'izany ny anadahiny

08/03/2025 07:43 © Moov

Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy sy Antanimora ireo voarohirohy tamin'ny fitifitarana ny Maire Mangataboahangy, Rasazy Narindra, ka anisan'izany ny anadahiny.

Omaly 7 marsa 2025 no niakatra fampanoavana teny amin'ny Tribonaly Ambaratonga Voalohany teny Anosy Antananarivo ireo vorohirohy tamin'ny raharaha fitifirana ny Ben'ny Tanànan'i Mangataboahangy Ambatofinandrahana, Rasazy Narindra. Olona 17 no voarohirohy, ka nisy PDS-n'i Mangataboahangy teo aloha, nisy Ben'ny Tanàna eny amin'ny manodidina. Tafiditra ao anatin'ireo niketrika ny famonoana an'i Rasazy Narindra ihany koa ny anadahiny. Nisy vehivavy "mpanao vato" ihany koa tamin'ireo voarohirohy.
Ny alin'ny zoma 21 febroary, taorian'ny fanolorana samboady azy tao Ambositra, no nisy nitifitra ny Ben'ny Tanàna Ranivoarivony Narindraniaina, teo anelanelan'Ambavalozakely sy Ankafotra ambany, kaominina Itremo. Tsy afaka niasa tamin'ny fomba ofisialy akory izany izy iny lavon'ny balan'ny olon-dratsy iny.

Disadisa

Rehefa handray ny fitantanana ny Kaominin'i Mangataboahangy ny Rasazy Narindra dia nahatsikaritra fa tsy tomombana ny fitantanam-bola. Nikasa ny handray fepetra ny tenany ka saika hitoroka eny amin'ny ambataronga mahefa toy ny Bianco. Nanam-pahavalo tokoa ny Ben'ny Tanàna vaovao araka izany. Nisy tamin'ireo voarohirohy ireo mihitsy no efa nametrahan'itompokovavy "Plainte de réserve" satria nandrahona ny hamono azy. Nisy ihany koa ny vondron'olona nanao tsindry azy ny amin'ny tsy maintsy handraisany olona hiara-hiasa aminy akaiky : ohatra hoe atao adjoint au maire.
Azo heverina fa ireo mpanao aferana vato sasany any an-toerana no tena anisan'ny atidoha nikotrika izao famonoana izao. Nisy vola tokony nalohan'ireo mpitrandraka sasany mantsy, ary niaiky izany ireo vokasika tamin'ny fakana am-bavany. Misy tovovavy "mpanao vato" iray, nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora, noo izao raharaha izao. Be harem-pirenena sarobidy tokoa mantsy any ambanivohitr'i ny faritra Amoron'i Mania, ary efa ela no nosokajiana ho "zone rouge" amin'ny resaka asan-dahalo.
Ireto avy no antony niampangana ireo nidoboka am-ponja tamin'izao raharaha nahafatesan'ny Rasazy Narindra izao : Vono olona na « assassinat », fikambanan-jiolahy na « association de malfaiteurs », eo ko any hoe « accès et introduction frauduleuse dans un système d’information » sy ny fisandohana anaran'olona na "usurpation d'identité", vono olona amin’ny fomba feno habibiana na ny "acte de barbarie".

Fampandrian-tany

Efa nanamafy ny hetsika fampandrian-tany tany Ambatofinandrahana sy ny manodidina ireo mpitandro ny filaminana miasa any an-toerana. Nisy tokoa ireo roalahy izay voasaringotra tamin'ny raharaha nahafatesan'ny Maire Rasazy Narindra, izay voatifitry ny zandary. Nisy omby maro tsy nisy taratasy ara-dalàna tratra ihany koa teny amin'izy ireo.
Andrasana hatrany ny tohin'ny fanadihadihana, indrindra moa hahafantarana izay tena atidoha nikotrika sy ireo mbola tsy voatonona. Ho fantatra ihany koa raha endrikendrika fotsiny na tsia izao maha-tafiditra ny anadahin'Itompokovavy amin'izao raharaha izao.

Lire la suite

Articles Similaires