Toamasina : Hery fiarovana sy filaminana miisa 300 no ahetsika isan’andro
Taorian’ny nisiana famonoana tovolahy iray tamin’ny fomba feno habibina tao Toamasina ny talata teo, dia noraisina ny fanapahan-kevitra ny amin’ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana. Hery Fiarovana sy Filaminana (FDS), isan’izany ny tafika, zandary ary polisy, 300 isa no miasa isanandro ao antampon-tanànan’i Toamasina, manomboka izao.
Miasa andro aman’alina
Nametrahana ireo mpitandro filaminana ireo avokoa ny toerana mafana rehetra ao Toamasina. Raha ny fanazavana avy any an-toerana dia namafisina manokana ny fiambenana amin'ny hariva. Etsy ankilany dia miasa isanandro, na andro na alina ireto mpitandro ny filaminana ireto. « Miantoka ny fandriampahalemana, miambina toerana rehetra, manao fisafoana, misava ireo olona mandalo rehefa manomboka maizina ny andro ka jerena avokoa ny entan'izy ireo na izay zavatra ao aminy », izany no asa hataon’izy ireo raha ny fanazavana.
Nidina ifotony manaramaso ny fomba fiasa sady nanao ny fandrindràna mba ho fanamafisana ny antoka ho fiarovana ny vahoaka, ny EMMONAT. Notarihin'ny Jeneraly Rakotomalala Andriantahina Jean Herbert, Komandin'ny Zandarimariam-pirenena sy ny Contrôleur Général de Police Rakotozanany Dany Marius, ny Tale jeneralin'ny Polisimpirenena ary ny Jeneraly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika. Nitety toerana maromaro izy ireo ny alin’ny 6 marsa.
Miara-miasa amin’ny isam-pokontany
Mitsofoka ny elakelan-trano rehetra ireo mpitandro filaminana mba ahafahana mijery izay mety olon-dratsy mihaodihaody, hoy izy ireo. Ankoatra ny FDS, efa misy ny fiaraha-miasa amin'ireo tompon'andraikitra isam-pokotany. Ny maraina teo dia efa nisy ny toromarika hentitra sy baiko nomena ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Hery Fiarovana sy ny Filaminana. Tanjon’izany ny hanatrarana ao anatin'ny fotoana fohy ireo olon-dratsy nahavanon-doza, nahafaty an’i Tahiana, ny talata teo.



