• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Taombaovao Malagasy 2025 : Fanasinana ihany no atao eny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo

07/03/2025 10:03 © Moov

Samy manana ny fandaharam-potoany ny Vohitra Masina tsirairay amin'ny fankalazana ny Alahamadibe na Taombaovao Malagasy 2025. Raha ho an'ny eny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo, Fanjakan'Imerina, tsy hisy fankalazana makotroka fa fanasinana ihany.

Amin'ny alahady 30 marsa izao ny Alahamadibe. Io andro io izany no ankalazana ny Taombaovao Malagasy 2025, ary saika mitovy ny fanisan'andron'ny ankamaroan'ireo Vohitra Masina eto amin'ny Fanjakan'Imerina tamin'ity taona ity.

Fandroana sy fanasinana

Tahaka ny isan-taona ihany, tsy handray lanonan-dehibe ny Rovan'Ambohidratrimo amin'ity Alahamadibe 2025 ity. Andrasana kosa nefa ireo mpanasina rehetra. Zava-mamy moa no tena atao hasina, dia tsy inona fa ny siramamy, tantely, vatomamy, voankazo. Androm-pifaliana io andro io ka azo heverina fa androm-pahasoavana ihany koa. Tsy anavahana foko na fiaviana araka izany ny fanasinana amin'io andro io, indrindra ireo te hangataka fahasoavana. Tsy manakana ny fitsidihana tsotra ihany koa nefa izany.
Efa misy fikambanana vitsivitsy sy taranak'ireo Mpanjaka moa no efa zatra manao sorona ao Ambohidratrimo rehefa Alahamadibe. Omby no vonoina amin'izany, ka ny ran'io biby io no hanasinana ao amin'ny fasana fitomiandalana.
Amin'io Alahamadibe io, misokatra ihany koa ny Doanin'i Nenibe Ramorabe, reniben'i Rambolamasoandro (vadin'Andrianampoinimerina sady renin-dRadama I). Eny Ambodisaha, ambanin'ny Rova no misy io toerana io. Ao no ahitana ny fatsakan'ny Mpanjaka taloha, sady efa misy toerana fandroana rahateo. Ho an'ireo mpandala fomban-drazana, ny fandroana no Tokony atao voalohany hanalana ny loto rehetra. Rehefa madio tsara vao miakatra eny an-dapa.

Fankalazana makotroka

Ny vohitra eny Ambohimanga, Ambohidrabiby sy Anosimanjaka no mikarakara fankalazana makotokotroka ny Alahamadibe na Taombaovao Malagasy 2025. Mandritra ny 3 andro no misy lanonana sy fombafomba maro, izay manomboka ny 29 marsa hatramin'ny 31 marsa. Samy tsy manavaka fiaviana sy saranga moa ireo fankalazana rehetra ireo.
Ho an'ny eny Ambohimanga manokana, eny amin'ny Doany Ankazomalaza no hanatanterahana ny lanonana. Ny sabotsy 29 marsa ny fidiovana sy ny fandrehetana afo tsy maty ary ny arendrina. Ny alahady 30 marsa, izany hoe ny Alahamadibe, dia hisy ny famonoana omby, ny fanasinana sy ny fizaran-kasina. Ny alatsinainy 31 indray dia fankalazana hotronin'ireo tompon'andraikitra ara-panjakana.

Lire la suite

Articles Similaires