• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Famokarana : Tokantrano tantsaha miisa 13 322 hanaovana fanadihadiana momba ny fambolena sy ny fiompiana

06/03/2025 16:54 © Moov

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fanadihadiana hanaovana tombana ny fambolena sy ny fiompiana ho an’ny taona 2024. Tokantrano miisa 13 322 manerana ny faritra 23 no hanatanterahana izany. Tanjona ny hanavaozana ny ezaka rehetra amin’ny fambolena sy ny fiompiana.

Fampandrosoana ny fambolena

Amin’ity volana marsa ity no hanombohana ity fanadihadiana ity ary tsy hifarana raha tsy any amin’ny herinandro voalohan’ny volana aprily any. Mitotaly hatrany amin’ny 550 ireo mpanao fanadihadiana hanao ny asa manerana ny faritra 23, amin’ireo tokantrano ireo. Nanamarika ny avy ao amin’ny tompon’andraikitry ny antontan’isa fa ho tazomina tsiambaratelo ny valintenin’ireo tantsaha. Ho fanisana sy hanangonana ireo angom-baovao rehetra mikasika ny fivoaran’ny fambolena sy ny fiompiana no hotanterahina amin’izany. Tanjona ny hampiasana ireo antontan-kevitra ho an’ny fampivoarana ny toekarena amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fiompiana.
Isan’ny ho jerena ihany koa ny isan’ireo biby fiompy. Hanampy izany ny fijerena ny isan’ireo biby miditra sy mivoaka, ny famokarany ary ny ampiasana azy. Raha tsiahivina dia fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana, ny INSTAT, ary ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa STATCAP II ity asa ity.

Hikarohana paikady vaovao

Amin’ny alalan’ireo antontan’isa sy hevitra voahangona ireo no hamaritan'ireo tompon’andraikitra politika sy paikady vaovao hampiakarana ny vokatra rehetra. Eto Madagasikara dia efa raisina ho laharam-pahamehana ireo sehatra roa ireo hahafahana mampandroso ara-toekarena ny firenena. Ny taona 2022 ohatra dia nandray anjara hatramin’ny 21,3% tamin’ny harinkarena faobe ity seha-pihariana ity. Rariny araka izany raha karohina ny fomba hampiakarana io salan’isa io. Ankoatra ny fandrafetana paikady dia hanampy amin’ny fanaraha-maso ireo tetikady ho apetraka ihany koa ireo angona ho voaray.
Tsara ny manamarika fa maherin’ny 6 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola omen’ny Banky iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa “Stat Cap II” hanaovana ity fanadihadiana ity. Isan’ny manohana ny asa ihany koa ny mpiara-miombon’antoka toy ny FAO.

Lire la suite

Articles Similaires