• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Gret
Image
Vaovao

Angovo azo havaozina : Mponina miisa 2.400 ao Sahanimira no misitraka herinaratra avy amin’ny « Vonjy Aratra »

06/03/2025 16:51 © Moov.Mg

Ny 11%-n’ny Malagasy monina any amin’ny tontolo ambanivohitra ihany no misitraka herinaratra, araka ny antontan’isan’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny taona 2022. Miteraka voka-dratsy eo amin’ny sehatra maro izany, toy ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny asa fivelomana sy ny fianan’ny mponina amin’ny ankapobeny mihitsy. Isan’ny niaina tao anatin’izany ny mponina ao Sahanimira, any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.

Amin’ny ankapobeny dia ny jiro mandeha amin’ny solitany sy ny labozia no nampiasain’ny mponina hatramin’izay. Ireo izay manana fahefa-mividy no mba mampiasa « groupe », izay lafo vidy.

Herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro

Mba ho famahana ny olan’ireo mponina dia nanatanteraka tetikasa fametrahana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro any an-toerana ny ONG Gret, tohanan’ny Masoivoho Frantsay ho an'ny Fampandrosoana (AFD), ny fondation Artelia ary ny EKOenergy. « Vonjy Aratra » no anarana nomen’ireo mponina ity fotodrafitrasa ity, izay naorin’izy ireo tamin’ny akora manaja ny tontolo iainana, izay hita any an-toerana ihany. Miainga avy amin’io fotodrafitrasa io ny famatsiana herinaratra ireo toerana fampiasan’ny daholobe rehetra ao an-tanàna. Afaka misitraka tolotra isan-karazany momba ny herinaratra ihany koa ireo mponina, toy ny fanofana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ny famahanana vatoharatry ny finday, ny vata fampangatsiahana, sns… amin’ny sarany mora. Ireo mponina, niaraka tamin’ny ONG Gret, no niara-namaritra izany sarany izany.

Nanatsara ny fiainan’ny mponina

Nanova ny fiainan’ny mponina ao Sahanimira ny fisian’ny herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao an-tanàna. Mahatsapa ny fiantraikan’izany amin’ny fahassalamana, ohatra, ireo mpampiasa jiro mandeha amin’ny solitany teo aloha. Satria misitraka hazavana avy amin’izany ihany koa ny tobim-pahasalamana ao an-toerana, dia mihamora kokoa ny asan’ireo mpitsabo, indrindra ny fampiterahana.

Misitraka ny tombontsoa azo avy amin’ny « Vonjy Aratra », ankoatra izay, ireo sekoly ambaratonga faharoa sy ambaratonga fototra ao an-toerana, izay ahitana mpianatra manodidina ny 1400 isa. Hatramin’ny nisian’ity fotodrafitrasa ity dia vita ao an-toerana ihany ny famoahana ireo laza adina sy taratasy hafa ilain’ny sekoly. Ny ankizy moa dia afaka mianatra tsara amin’ny hariva, noho ny fisian’ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro any an-tokantrano. Raha toa ka nandany 800 Ar ny tokantrano iray taloha, hividianana labozia, dia nihena ho 200 Ar sisa ny fandaniana isan’andro momba ny hazavana, izay saran’ny famahanana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoando.

Nampivoatra ny fivelomana

Etsy an-daniny, nanampy ireo mponina amin’ny asa fivelomany andavanandro ity fotodrafitrasa ity. Vita eo an-toerana ihany, ohatra, ny fanamboarana ireo fitaovam-pamokarana ilana « soudure ». Tsy manana olana intsony ireo mponina amin’ny fitahirizana sakafo sy amin’ny fanodinana ny ronono ho vokatra hafa.

Raha atotaly dia 2.400 no isan’ireo mponina afaka misitraka hazavana iraisan’ny besinimaro, tokantrano 300 isa no mampiasa ireo tolotra omen’ny « Vonjy Aratra », fotodrafitrasa iombonana miisa 4 no mahazo herinaratra.

Lire la suite

Articles Similaires