• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Akademia malagasy : Namelabelatra momba ny zon’ny vehivavy ny Dr Ramakavelo Geneviève

06/03/2025 12:27 © Moov.Mg

Omaly 5 martsa 2025 no efa nanombohana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ho antsika eto Madagasikara. Ho an’ny ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) manokana, dia famelabelaran-kevitra momba ny zon’ny vehivavy malagasy no nentina nanamarihana izany.

Zon’ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra

Ny Dr Ramakavelo Geneviève, mpikaroka eo anivon'ny minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa sady Filoham-boninahitry ny Fikambanan'ny Vehivavy sy ny Siansa, no nanatanteraka ny famelabelaran-kevitra, omaly, teny amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Ny « Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra » no lohahevitra novoaboasany, avy amin’ny voka-pikarohana nataony. Tonga maro nanatrika ity dinika ity ireo andriambavilanitra avy eo anivon’ny MESUPRES ary nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ny filohan'ny Akademia Malagasy, ny Pr Rabenoro Irène sy ny filohan'ny Fikambanana Vehivavy sy Siansa, ny Pr Ranaivosoa Voajanahary.

Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ity ministera ity, dia misy 606 isa ankehitriny ireo mpampianatra mpikaroka eny anivon’ny Ambaratonga Ambony ary 167 kosa no isan’ireo mpikaroka mpampianatra.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy

Tanjon’ity famelabelaran-kevitra ity ny fampahafantarana ny zo ananan'ny vehivavy sy ny mifandraika rehetra amin'izany, amin’izao ankatoky ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy izao.

Taorian’ny hetsika omaly dia hanatanteraka ny fankalazana nasiônaly any Mahajanga, renivohitr’i Boeny, ny fianakaviamben’ny MESUPRES, miaraka amin’ireo ministera hafa sy ireo mpiara-miombona antoka. Izany fanamarihana izany moa dia eo ambany fiahian'ny vadin'ny Filohan’ny Repoblika, Mialy Rajoelina. Efa natomboka omaly, tamin’ny alalan’ny hetsika ara-panatanjahantena, fanofanana sy hetsika ara-kolontsaina isan-karazany ny fankalazana, izay hitohy hatramin’ny sabotsy 8 martsa 2025.

Lire la suite

Articles Similaires