Fampiasana tambajotra sôsialy am-piheverana : Tanora miisa 5 000 no ho entanin’ny ONG HDA
Sady mahasoa no manimba ny tambajotra sôsialy, arakaraka ny fampiasana azy. Mila fahaiza-manao, araka izany, ny fikirakirana ity fitaovana ity, ka mila ofanina ny tanora mba hahay hampiasa azy ireny am-piheverana. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany ny tetikasan'ny ONG Human Development Action (HDA) momba ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny tambajotra sôsialy.
Hetsika fanentanana ny tanora
Faritany miisa 3, dia Antananarivo, Mahajanga ary Toamasina no hanatanterahana ny hetsika fanentanana ny tanora, amin’ny fampiasana tambajotra sôsialy am-piheverana (Utilisation responsable des réseaux sociaux). Tanora miisa 5 000 no vinavinaina hahazo tombontsoa amin'izany, hatramin'ny faran'ity taona 2025 ity, raha toa ka 10 000 isa no efa nisitraka ny fanentanana, nanomboka ny taona 2020. Efa nanomboka ny taona 2017 mantsy ny ONG HDA no nanatanteraka fanentanana toy izao, teny anivon’ny sekoly sy fikambanana maro samihafa.
Tetikasan’ny fikambanana tsy miankina Human Development Action izy ity, ary mamatsy vola izany ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana ho an'ny fanabeazana, ny siansa sy ny kolontsaina (ComNat/UNESCO). Miara-miasa ao anatin’ity tetikasa ity ihany koa ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena.
Fanofanana ny mpanabe
Amin’izao fanombohan’ny tetikasa izao dia mpanabe miisa 20 avy amin’ny sekoly miisa 12 avy eto Antananarivo sy Manjakandriana no homena fiofanana. Tanjona lehibe amin’ity tetikasa ity ny hanentanana sy hampahafantarana ireo tanora momba ny fampiasana ny finday sy ny tambajotran-tserasera, ka tafiditra ao anatin’izany ny voka-dratsiny sy ireo lafy tsarany izay azo trandrahana.
Androany 5 martsa 2025, teny Antaninarenina, no nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy ity tetikasa momba ny fampiasana ny tambajotran-tserasera araka ny tokony ho izy ity. Ny 16 febroary teo kosa no nanatanterahana ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny ONG HDA sy ny ComNat/UNESCO, natrehin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle.