Toamasina : Mihamafy ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana
Tovolahy vao erotrerony no namoy ny ainy, ny alin'ny omaly 04 marsa, noho ny tsatok'antsy nihatra taminy. Tao Ambolomadinika no nisehoan'izany habibiana izany.
Tamin'ny 9 ora alina teo ho eo, omaly 4 marsa, no nisy roalahy nanatsatoka antsy i Tahiana Randriamahefa, 23 taona. Asa fanendahana no nihatra taminy, satria lasan'ireo olondratsy ny kitapokely nisy vola teny aminy. Raha ny horonantsary nirakitra ny tranga no jerena, toa olona misompatra ireo namely azy, sady nangalatra izay zavatra mora nosintomina.
Raha ny fanazavan'ireo akaiky ilay niharam-boina, avy nivavaka hariva i Tahiana izao nisy namono izao. Tsatok'antsy miisa telo teo amin'ny tratrany sy ny lamosiny no nahafaty azy. Mbola afaka nitsoaka nanavotr'aina ny tenany taorian'ny fifanjevoana, saingy tsy tàna intsony ny ainy rehefa tonga teny amin'ny hôpitaly Betania. Hita tamin'ny alalan'ny "caméra de surveillance" teo amin'ilay toerana nitrangan'ny loza moa ny horonantsary nirakitra ny fifandonana teo aminy sy ireo roalahy izay nitondra antsy ka avy dia nandratra azy.
Fandraisana andraikitra
Nivory maika ireo tompon'andraikim-panjakana tao Toamasina manoloana ny tsy fandriam-pahalemana misy, ny maraina teo. Hentitra tanteraka ny fepetra noraisin'ny OMC, izay notarihin'ny Lehiben'ny Fileovan'i Toamasina Andriamatoa Benandrasana Cyrille, ny amin'ny fidinan'ireo mpitandro filaminana eny andalam-pasika. Tsy maintsy mitondra kara-panondro ny olona rehetra feno taona rehefa mivoaka na atoandro na alina, fa indrindra amin'ny alina.
Ny avy eo anivon'ny Faritra Atsinanana dia nanambara fa tokony hanome loaranom-baovao ho an'ireo mpitandro filaminana ny vahoaka satria ireo olon-dratsy ireo dia miaina eo anivon'ny fiaraha-monina. Nanentana ny vahoaka mba ho tony hatrany ny tenany satria efa misy ny paikady izay apetrak'ireo tompon'andraikim-panjakana.
Hisy ihany koa ny fisavana ireo olona tsy misoratra eo anivon'ny fokontany, araka ny nambaran'ny Ben'ny tanànan' i Toamasina Andriafanomezantsoa Alain.