• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Cnaps Madagascar
Image
Vaovao

Andro Afrikanina ho an’ny Skotisma : Hanohana ny Skotisma eto Madagasikara amin’ny fankalazana ny CNAPS

05/03/2025 13:17 © Moov

Handray ny fankalazana ny andro afrikanina ho an’ny Skotisma, ny 12 hatramin’ny 16 marsa ny eto Madagasikara. Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny Skoto Malagasy amin’izao fotoana izao. Nihaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny CNaPS, Vimbina Rahaingonjatovo izy ireo omaly. Nivoitra tao anatin’izany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta mandritra io fankalazana io

Fampiasana fotodrafitrasa eny Vontovorona

Amin’ny maha-mpisehatry ny fiahiana ara-tsosialy ny CNAPS dia manana tanjona ny hampiroborobo hatrany izany fiahiana ara-tsosialy izany hoan’ny vahoaka malagasy eo am-panomanana ny hoaviny izy ireo, isan’izany ny tanora. Amin’ity fihaonambe ity dia mpizaika avy amin’ny firenena manodidina ny 53 no ho avy eto Madagasikara. Tsy havela handalo fotsiny io fotoam-pankalazana io fa hisy ny hetsika isan-karazany hanamarihina izany. Tapaka nandritra ity fihaonana ity ary fa hampiasa ny foto-drafitrasa misy eny amin’ny Ivon-toerana ara-kolontsaina sy fialamboly Vontovorona (CCL CNaPS Vontovorona) izy ireo. Tao anatin’ity fihaonana ity dia fanirian’ity Tale Jeneraly ity dia mba ho lasa ambasadaoron’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara ireo tanora skoto ireo, ao anatin’izao fiaraha-miasa izao.

Fahavitan-tenan’ny tanora

Mifototra amin’ny lohahavitra hoe « hamolavola ny fiainanao » ny fifampizarana sy ny fihaonana mandritra ireo 4 andro ireo. Tanjon’izany dia hanomana ny tanora mba hizaka tena sy afaka mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ary manomana azy ireo hosolotena hitondra fiovana eo amin’ny fiaraha-monina misy azy. Tanjon’ny Skoto ao anatin’izany dia ny hitondra fanovana ho an’i Afrika iray manontolo. Araka izany, ireto mpizaika ireto dia hanampy amin'ny fanatanterahana ny vinan'ny Afrika, hiroborobo sy hitambatra ary haharitra.
Raha tsiahivina dia ny Firaisan’ny skotisma eto Madagasikara manabe zazalahy (FSM-ZL) no mikarakara ity fihaonana ity ho an’ny 2025. Ao anatin’izany anefa dia ireo Skoto rehetra no andrasana handray anjara.

Lire la suite

Articles Similaires