Tetikasa Fandroso : Fikambanana mpamokatra miisa 15 nisitraka tohana ara-pitaovana tao Vakinankaratra
Fikambanana mpamokatra miisa 15 ao anatin’ny faritra Vakinankaratra no nisitraka tohana ara-pitaovana avy amin’ny Fonds de Développement Agricole (FDA) ; tamin’ny alalan’ny tetikasa Fandroso. Hanampiana ny famokarana sy hampitomboana ny vola miditra amin’ireo tantsaha no anton’izany.
Distrika miisa 6
Faritra isan’ny ahitana mpamboly betsaka ny ao Vakinankaratra. Mpamatsy faritra maro amin’ny lafiny legioma sy voankazo ihany koa izy. Izany indrindra no tena nanohanana azy ireo mba hahafahana manatratra ny vina amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hialana amin’ny fanafarana be loatra. Distrika miisa enina no nahitana ireo mpamokatra ireo dia ny tao amin’ny Distrikan’Antsirabe II, Faratsiho, Betafo, Mandoto, Antanifotsy ary Ambatolampy. Misehatra amin’ny lafiny maro ireo tantsaha, toy ny fambolena vary, soja, fiompiana omby vavy be ronono, trondro ary akoho. Izany hoe noraisina avokoa ny sehatra rehetra hahafahana manampy ny tantsaha isanisany.
Etsy andaniny dia fitaovana ho ilaina amin’ireo sehatra ireo no nozaraina, izay vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola. Nahitana « motoculteur avec remorque et accessoires” miisa 4. Teo ihany koa ny fihavana vary 1, « broyeur » 3, « motopompe » 6, « granuleuse » miisa 3, « couveuse » 1 ary « charrette à bandage » miisa 8 sy ireo fitaovana madinika maro.
Fanohanana ny vehivavy
Isan’ny nisongadina ho an’ny faritra Vakinankaratra ihany koa ny fahamaroan’ny vehivavy nisitraka tamin’ireo fitaovana samihafa ireo. Tamin’ireo 255 mpisitraka dia niisa 122 ireo vehivavy. Isan’ny tanjon’ny tetikasa ny hampandraisana anjara ny vehivavy ao anatin’izany sehatry ny fampandrosoana ara-toe-karena izany. Manana ny toerany eo amin’ity sehatra lehibe ity ny vehivavy ka izay no anton’izany fanohanana izany.
Raha tsiahivina dia fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana ireo tantsaha mpamokatra no hatolotry ny tetikasa amin’ireo faritra 23 manerana ny Nosy. Tsy very anjara ao anatin’izany ny vehivavy izay manomboka efa mitombo isa ao anatin’ny mpisitraka.