Rivo-doza Faida : Tombanana hiditra eo anelanelan’i Sainte Marie sy i Brickaville rahampitso
Vinavinaina hiditra an-tanety rahampitso maraina, eo anelanelan’i Sainte Marie sy Brickaville, ilay rivo-doza Faida, araka ny vinavinan’ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro.
Fiakaran’ny rano
Androany 3 febroary 2025, tamin’ny 7 ora hariva, dia tany amin’ny 156 Km any Atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’ity andro ratsy ity, izay manana tanjaka « tempête tropicale modérée ». Efa mitondra rotsak’orana any amin’ny faritra Afovoany Atsinanana izy. Araka izany, tsy tokony hiandriaka intsony ireo mpanjono any amin’ny moron-tsiraka voakasika. Tokony ho mailo amin’ny fiakaran’ny rano ihany koa ny mponina manamorona ny reniranon’i Rianila, Ivondro, Onibe, Maningory, Mananara du Nord, Antainambalana, Betsiboka, Sofia, Mahavavy Sud sy Mahajamba ary ireo faritra iva.
Hatramin’ny ora nanoratana dia naharay filazana loza miloko mena, na loza mitatao, ny any Ambatosoa, Analanjirofo, Toamasina I-II ary Brickaville. Filazana loza miloko mavo, na loza manambana kosa ho an’Alaotra Mangoro, Antalaha, Mandritsara, Befandriana Avaratra, Mahanoro, Marolambo, Vatomandry ary Antanambao Manampontsy.
Fikorontanan’ny fitaterana an’habakabaka
Manoloana ny fisian’ity andro ratsy ity dia namoaka filazana ny avy eo anivon’ny Madagascar Airlines fa mety hisy fikorontanana ny zotram-pitaterana an’habakabaka, indrindra ireo mihazo an’i Toamasina sy i Sainte Marie, rahampitso 4 febroary sy rahafak’ampitso 5 febroary 2025.
Araka ny vinavinan’ny avy eo anivon’ny Birao Nasiônaly misahana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), dia tombanana ho mponina miisa 24 403 no ho traboina, vokatr’ity rivo-doza Faida ity. Efa miomana mialoha amin’ny fandraisana an-tanana ireo mila fanampiana, ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.