Kolontsaina : Hirona amin’ny hira amin’ny teny vahiny indray ny mpanakanto Rijade
Vaovao ny taona ary manaraka izay ihany koa ny fironan’ireo mpanakanto isan-karazany. Hiova gadona sy hira ho atao indray mantsy ny mpanakanto Rijade, raha ny fanazavany. Namafisiny nandritra ny fandraisana azy amin’ny fomba ofisialy ho fianakaviam-ben’i Yas, androany izany.
Fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto vahiny
« Hanajanona kely ny hira amin’ny teny malagasy aho aloha, ary hamoaka hira maromaro amin’ny teny vahiny », raha ny nolazainy. Isan’ny vaovao tsara ho an’ny kolontsaina malagasy ity nambaran’ity mpanakanto ity satria raha ny fanazavany hatrany dia hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara izany. Etsy ankilany moa dia hisy ao anatin’izany hira kasainy hatao izany ny fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto vahiny maro, izay mbola notazominy ho tsiambaratelo. Isan’izany anefa ireo Afrikanina miteny anglisy sy frantsay, ao ihany koa ireo indianina ; noho izany dia hirona any amin’izany indray ny hira ho ataony amin’ity taona 2025 ity. Efa misy ny vonona ary efa misy ihany koa ny mbola andalam-panatanterahana, raha ny fanazavana hatrany. « Hivoaka ny volana marsa izao ny hira voalohany amin’ity sangan’asa vaovao sy miavaka ity », hoy hatrany i Rijade. Etsy ankilan’izany dia ho maro ihany koa ireo « single » ho soratany. Tsy nanana antony manokana ny tenany tamin’izany fanapahan-kevitra izany fa vokatry ny fiaraha-miasany amin’ireo mpamokatra avy any ivelany ka tiany hiparitaka maneran-tany ny sangan’asany.
Rijade – Yas Madagasikara
Ao anatin’izany finiavana ny hanaparitaka ny kantony maneran-tany izany indrindra dia manome tosika ny mpanakanto ny orinasa Yas Madagasikara. Izany no antony nandraisana azy ho ambasadaoron’ny orinasa, nanomboka tamin’ity anio ity. Hanampy ireo mpanakanto miisa 9 efa ambasadaoro araka izany ity mpanakanto tovovavy avy ao Nosy Be ity. Hiompana indrindra amin’ny fampivoarana ny roa tonta ny fiaraha-miasa. « Rijade efa manana ny lazany manerana ny Nosy miaraka amin’io endrika efa anazy manokana io. Hampiroborobo izany no anton’izao fiaraha-miasa izao », hoy i Eli Raharimanjato, avy ao amin’i Yas Madagasikara.