Fahatapahan-jiro : Vahaolana entina ny orana artifisialy sy ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa
Miverina mampikaikaika ny mpanjifa indray ny fahatapahan-jiro lavareny, izay volaza fa tokony ho 3 na 4 ora isan’andro, kanefa misy ny mihoatra izany. Ao anatin’ny fikaroham-bahaolana amin’izany ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo ka natolony ny paikady hamahana izany olana izany.
Orana artifisialy
Misy tsy fahampian’ny famokarana manodidina ny 30 hatramin'ny 50 MW eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA) ka mahatonga io fahatapahana io. Isan’ny voalaza fa anton’izany ny hain-tany ka tsy ampy ny rano manosika ireo milina mpamokatra herinaratra. Araka izany, nilaza ny Minisitra Ralitera Ny Ando Jurice fa hisy ny fandefasana orana artifisialy. Fiaraha-miasa amin’ny Sampandraharaha misahana ny Toetry ny Andro izany, izay efa nanomboka omaly 7 novambra sy androany 8 Novambra 2025 any Andekaleka sy ny manodidina hampiakarana ny haavon’ny rano. Manomboka rahampitso araka izany dia antenaina ny hisian’ny orana voajanahary any an-toerana, ka tokony hampiakatra ny famokarana herinaratra avy any izany, raha ny fanazavana.
Etsy ankilany ihany koa dia mba hahafahana mampitombo ny herinaratra mankany amin’ny mpanjifa madinika dia efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mpandraharaha sy tompon’orinasa. Nifampidinihana tamin’izany fa tokony hampiasa ireo milina mpihary herinaratra, azy ireo manokana izy ireo hahafahana mahazo hatramin’ny 20 MW ao anatin’ny RIA.
Fanafainganana ny asa hafa rehetra
Ankoatra ireo vahaolana fohy ezaka ireo dia tafiditra ao anatin’ny paikady ihany koa ny fanafainganana ny asa fanorenana ireo toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy ny fahatongavan’ireo milina mpihary herinaratra sasany. Raha ny fanazavan’ny Minisitra dia ho tonga afaka 4 herinandro ny milina manana tanjaka 30MW raha afaka 6 herinandro kosa ny vatoaratra ho ampiasana eny amin’ny tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, manana tanjaka 20MWh.
Mbola ho hafainganina ihany koa ny asa fanamboarana ireo milina simba ao amin’ny CTA2 an’ny JIRAMA eny Ambohimanambola. Afaka 8 andro dia ho vita 70% ny asa ka handeha tsikelikely ireo milina voavoatra. Tanjona ny hahazoana hatramin'ny 15 MW afaka 20 andro eo ho eo. Tsy manam-potoana betsaka ny Mnisitera, hoy hatrany ny fanazavana ka anton’izao fanafainganana ny asa izao.



