Fikambanan’ny Orinasa Malagasy : Mivelatra ny tolotra amin’ny famatsiambola an’ireo mpandraharaha
Miara-miasa manomboka izao ny Fikambanan’ny Orinasa Malagasy (FOM) sy ny Baobab Banque, amin’ny fanohanana ny mpandraharaha Malagasy. Tontosa androany zoma 8 novambra 2025, teny amin’ny CCIA Antaninarenina, ny lanonana fanaovan-tsonia.
Anisan’ny sakana goavana ny loharanom-bola ampiasaina ho an’ireo tanora manana orinasa. Misy ireo tsy lasa lavitra akory dia voatery manakatona ilay Orinasa sady mitady tetikasa vaovao. Na maro aza mantsy ireo manan-kevitra tsara amin’ny fananganana Orinasa, tsy mety tanteraka izany fikasana izany noho ny tsy fahampian’ny enti-manana. Tsy vitsy mantsy ireo tsy mahazo fampindramam-bola noho ireo fepetra marobe apetrak’ireo mpampindram-bola.
Fanohanana ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany
Efa hatramin’ny taona 2017 ny FOM, tarihan-dRamatoa Tsiranana Fiona, no nisehatra tamin’ny fanohanana ireo mpandraharaha Malagasy. Iaraha-mahalala mantsy fa ny fandraharahana no mamelona ny ekonomia eto amin’ny firenena. Araka izany, misy ny fandaharan’asa isan-karazany hanosehana ireo efa tafiditra ao amin’ny sehatry ny fandraharahana. Tsy vitan’ny fanohanana ara-kevitra ihany nefa no iantsorohan’ny FOM, fa eo ihany koa ny lafiny ara-teknika. Izany indrindra no anton’ny fifanarahana manokana amin’ireo mpampindram-bola, mba ho tombontsoan’ny mpikambana.
Noho ny fanohanan’ny Baobab Banque (Microcred teo aloha), misy karazana tolotra manokana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny FOM. Nohamoraina ny fepetra fahazoana vola sy ny pitsopitsony rehetra mifandraika amin’ izany mba ho sahy hifaninana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ireo te hampiroborobo ny orinasany. Mandinika ny mombamomba ny mpindrambola tsirairay ny Baobab Banque, mba hahitana ny tolotra mifanaraka amin’ny fahefa-mamerim-bola sy ny tanjona tratrarina.
Fampivelarana ny sehatry ny fandraharahana
Miisa 200 eo ho eo ny mpikambana ao amin’ny FOM, 8 taona taorian’ny niforonany. Mitohy hatrany ny fandraisana mpikambana, dia ireo mpandraharaha madinika na salantsalany maniry hivelatra kokoa. Tsy mitsahatra mitady fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana, ny rafitra samihafa misahana ny tontolon’ny Orinasa sy ireo mpamatsy na mpampindram-bola moa ny FOM, mba hanasoavana ireo mpikambana rehetra. Tsy vitsy ireo mpikambana ao amin’ny FOM no mamatsy ny tsena eto an-toerana sy ny any ivelany. Maro ihany koa ireo karazana hetsika ara-barotra entina hanandratana ny as an’ireo mpandraharaha mpikambana.



