Kabary Malagasy : Mankalaza ny faha-62 taonany ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (FIMPIMA)
Mankalaza ny faha-62 taona niorenany ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (FIMPIMA) amin’ity taona 2025 ity. Hotanterahina ny 16 Novambra izao izany ao amin’ny efitrano HAVORIA Anosy.
Namoaka mpikabary matihanina
Saika ahitana mpikabary nivoaka avy ao amin’ny FIMPIMA avokoa manerana ny Nosy sy manerana izao tontolo izao. Ity fikambanana ity rahateo dia anisan’ny namoaka mpikabary matihanina an’arivony. Isan’ny nisitraka izany fiofanana Kabary teo anivon’ny FIMPIMA izany koa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Gascar Fenosoa, nanomboka ny taona 2009 ka mbola Mpikabary matihanina mandraka ankehitriny.
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajàna io minisitra mpiahy ny kolontsaina malagasy io, ny teo anivon’ny Foibe FIMPIMA Maneran-tany, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no naneho ny faniriany ny Fikambanana mba hiaran’ny minisitera misalahy amin’izy ireo amin’ny fankalazana. Ho Ray aman-dReny mpiahy ny fankalazàna hatao ihany koa ny minisitra Gascar Fenosoa.
Fanatsarana ny fampianarana Kabary
Efa mieli-patrana amin’ny firenena maherin’ny roapolo ny FIMPIMA izay miezaka hatrany manandratra avo ity Kolontsaina malagasy ity. Ny fihaonana tamin’ny Minisitra izay natao, dia nentina ihany koa hanatsarana ny rafitry ny fampianarana Kabary. Tanjon’izany dia ny mba ho tena mpikabary matihanina sy mahafehy ny pitsopitson’ny Kabary tokoa ireo mpiofana avy amin’ireo sekoly fanofanana samihafa. Etsy ankilany dia everina ihany koa ny hisiana fampianarana Kabary eny anivon’ireny Tranoben’ny Kolontsaina manerana ny Nosy ireny. Hiara-hiasa amin’izany ny FIMPIMA sy ny Minisitera.
Izany rehetra izany no hatao mba hampitomboana lanja ity Kolontsaina ity eo amin’ny Malagasy, ka tsy hahavery azy. Raha tsiahivina dia voarakitra eo anivon’ny UNESCO ho harem-bakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana nanomboka ny taona 2021 ity lahabolana ity.



