• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Thibaudvoyage
Image
Vaovao

Herinaratra : Hanomboka amin’ny volana jona ny fanatsarana ny tambazotra iraisan’i Toamasina

10/01/2025 10:38 © Moov

Nandrasana volana maromaro. Vita sonia omaly teny Ampandrianomby ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny Delegasiona avy amin'ny Fitantanana ny Fotodrafitrasa, ny Angovo ary ny Harena an-kibon'ny tany avy amin'ny Foiben'ny JICA. Mivoitra ao anatin’izany ny fanatsarana ny tambazotra iraisan’i Toamasina (Réseau Interconnecté de Toamasina RIT).

Hanomboka amin'ny volana jona ny asa

Raha ny fanambarana avy amin’ny minisitera dia hanomboka ny volana jona izao io asa fanatsarana io. Vinavinaina hifarana ny taona 2027 kosa izany tetikasa izany. Maro ny asa miandry, tanjon’izany ny hahafahana manome tolotra tsaratsara kokoa momba ny herinaratra ho an’i Toamasina sy ny manodidina. Miisa 62 ny andrin-jiro (poteaux) handrafitra ny asa. Mirefy 3,5 km ny tariby mitondra herinaratra eo amin'ny Fokontany Verrerie hatreo amin'ny Fokontany Bazary Be. Miisa roa kosa ny vata mpanova herinaratra (transformateur) eo amin'ny ''Sous-Station" Verrerie. Ireo rehetra ireo no ho isan’ny asa miandry. Marihina fa hiara-hiasa amin’ny MEH sy ny JICA ao anatin’izany ny JIRAMA izay niara-nanao ny sonia fianaraham-piaraha-miasa. Araka ny nambaran’ny MEH sy ny JICA dia tena ilaina maika ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa RIT ireo. Raha tsiahivina dia nahitana izay olan’ny fahatapahan-jiro mahery vaika izay tao Toamasina ny taona lasa. Vokatry ny fahanteran’ny fitaovana ny isan’ny nahatonga izany.

Fampivoarana ara-tsosialy

Ity tetikasa ity dia mikendry ny hamaly ny filàna mitombo sy ny fahanteran’ny fotodrafitrasa amin'izao fotoana izao. Ireo farany izao izay nanjary tsy nahavita namaly ny filàn'ny mponina izay mitombo na dia teo aza ny fitomboan'ny famokarana angovo tato ho ato. Etsy ankilany, ny fanavaozana ny fotodrafitrasa dia tsy natao hanatsarana ny kalitao sy ny fahamendrehan’ny fitsinjarana ny jiro ao amin’ny RIT ihany fa hampiroborobo ny toekaren’ny faritra Atsinanana sy hanamafisana ny fandriam-pahalemana. Ny tanànan’i Toamasina izay miaina tsy fandriam-pahalemana, misy fahamoizana aina matetika. Isan’ny handray anjara amin’ny famahana izay olana izay ny fisian’ity tetikasa ity. Araka izany, ity fiaraha-miasa eo amin’ny MEH sy ny JICA ity dia maneho dingana iray lehibe mankany amin’ny fanavaozana ny fotodrafitrasa momba ny herinaratra eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires