• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Firehetan’ny ala ao Ranomafana : Tsy mbola nisy tao anatin’ny 90 taona

10/01/2025 06:53 © Moov.Mg

Nidina tany Ranomafana, Distrikan’Ifanadiana, Faritra Vatovavy, ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), omaly 9 janoary 2025, manoloana ny trangana afo manakaiky ny valanjavaboaharin’i Ranomafana. Mbola tsy maty ny afo, tamin’ny fotoana nandalovany tany an-toerana.

Tafakatra ho 2.000 isa mahery ny olona mifandrimbona amin’ny famonoana ny afo, any Ranomafana, araka ny tatitry ny avy eo anivon’ny MEDD. Tsy mora ny asa, satria mafana be sady maina ny andro, ny doro ala koa anefa mahatonga setroka be. Na izany aza, tsy nikely soroka ireo vahoaka marobe ireo, hoy ny minisitry ny Tontolo Iainana, Fontaine Max Andonirina, ka sady nankahery azy ireo ny tenany, no nankasitra ihany koa, amin’ny fandraisana andraikitra.

Tsy mirotsaka ny orana

Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny Ampanjaka iray, izay notaterin’ny Minisitra, dia mbola tsy nisy doro ala tahaka izao, na dia indray mandeha aza, tao amin’ny faritr’i Ranomafana, tao anatin’ny 90 taona. Isan’ny antony mampiroborobo ny firehetana anefa ny fiovan’ny toetr’andro izay iainantsika ankehitriny. Noho ny hain-tany, ohatra, dia ritra ny loharano. Raha tokony ho ny volana novambra no manomboka ny rotsak’orana, ao Ranomafana, dia mbola tsy nisy orana nilatsaka mihitsy hatramin’ny omaly, raha ny nambaran’i Fontaine Max Andonirina hatrany. Misedra olana tahaka izany avokoa ny Faritra 24 amin’izao fotoana izao, hoy izy.

Tsikaritra koa anefa fa maromaro no faritra nahitana fiandohana afo, raha ny mahakasika ity doro ala any Ranomafana ity. Azo inoana, noho izany, fa afo iniana natao izao mitranga izao, hoy ny Minisitra. Manoloana izany indrindra dia misy ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana, ary ny MEDD sy ny Madagascar National Parc, izay mpitantana ny valanjavaboahary, amin’ny fikarohana ireo olona nahavanon-doza. « Tsy maintsy hampiharina amin’izay nahavita ny heloka, ny sazy faran’izay mafy indrindra, araka ny lalàna », hoy i Fontaine Max Andonirina.

Nanolotra fankaherezana

Notsiahivin’ny Minisitra moa fa vao natsangana ny ivon-toeram-pibaikoana momba ny afo (CCO Feu) eo amin’ny sehatra nasiônaly, izay ahitana ny MEDD sy ny Birao Nasiônaly misahana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC). Ity rafitra ity no mandrindra ny ezaka tanterahina rehetra manerana ny Nosy, momba ny ady amin’ny afo. Vao napetraka ihany koa ny Ivon-toeram-pibaikoana momba ny afo eny anivon’ny Faritra (CRCO), ao Vatovavy, nandritra ity fidinana ifotony nataon’ny minisitry ny MEDD ity.

Nanolotra omby iray, ho fankaherezana ireo vahoaka manatanteraka ny famonoana afo, ny Minisitra sy ny Solombavambahoakan'Ifanadiana, Haja Dinah. Nanome fitaovana ho entina miatrika ny afo ihany koa i Fontaine Max Andonirina, nandritra izao diany izao, dia « motopompe » iray sy angady 50 isa. Etsy an-daniny, hojerena, hoy izy, ny fahafahana mampiasa fitaovana matanjaka kokoa, toy ny fiaramanidina mpamono afo toy ny « canadair », izay nomarihiny fa lafo ny sarany. Ny fandatsahana orana artifisialy kosa, dia tsy azo tanterahina raha tsy vory ny fepetra rehetra takiana ho amin’izany, araka ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires