Fampianarana : Mbola maro ny ezaka mila atao amin’ny fanabeazana mampiaty
Ankalazaina amin’ity zoma 29 novambra ity ny androm-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty andiany fahaefatra. Fotoana izany hanomezana lanja ny fitoviana eo amin’ny samy mpianatra, indrindra ny mikasika ireo manana fahasembanana. Raha ny fanazavan’ireo toerana mampianatra ireny ankizy ireny dia mbola maro ny ezaka mila na dia efa misy aza ny mandeh amin’izao fotoana izao.
Ezaka mbola mila atao
Raha ny fanambarana avy amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena dia saika avy amin’ny finakaviana sahirana ny ankamaroan’ny ankizy manana fahasembanana mbola mila ampidirina an-tsekoly. Amin’ny ankapobeny dia izany indrindra no mahatonga ny Ministera manampy azy ireo, indrindra ar-pitaovana sy ara-bola. Isan’ny lesoka tsy handehanana an-tsekoly mantsy izany fahasahiranana isan-karazany izany. Raha efa manampy azy ireo amin’ny fananganana trano sekoly handraisana azy ireo ny Ministera dia mbola maro ihany koa ny ezaka mila atao. Ny tatitra farany izay navoakan’ny UNICEF ihany koa dia manamafy fa mbola maro ny ezaka mila atao. Zara raha 44% amin’ireo zaza manana fahasembanana mantsy no mandeha mianatra raha io tatitra io tamin’ny taona 2023 io. Isan’ny ezaka mila harenina ihany koa ny fanampiana ny isan’ireo mpampianatra afaka handray ny zaza. Amin’izao fotoana mantsy dia manodidina ny 25 000 eo ihany ireo mpampianatra voaofana. Etsy andaniny anefa dia tokony mpampianatra iray ho an’ny mpianatra miisa 6, araka izany, mbola alavitra ny lalana. Tsiahivina fa efa nisy ny lalàna fototra mikasika ny fanabezana mampiaty tamin’ny taona 2009 ary efa miroso tsikelikely mankany amin’izany ny ezaka.
Misy fepetra takiana hahafahana mandray ireo mpianatra
Ankoatra ireo ezaka mila atao dia mbola misy fepetra tsy maintsy takiana amin’ireo zaza manana fahasembanana ihany koa vao afaka mianatra izy ireo. Ao anatin’izany ny salan-taona. « Mbola tsy afaka mandray ny ankizy rehetra izahay fa mbola jerena raha efa manana ny fahafahana ara-tsaina handray tsara ny fampianarana ireo zaza. Hatreto aloha dia mbola izay fa vinavina ny hanitatra ka afaka handray ny zaza rehetra », hoy ny Tompon’andraikitra sekoly mampiaty iray. Marihina fa atomboka amin’ny fampianarana tsotsotra ny an’ireo ankizy ireo ; rehefa hita fa maharaka vao hampidirina tsikelikely ny programam-pampianarana hiraisan’ny daholo be. Anatin’ny vina ny hanaparitaka ny sekoly mampiaty manerana ny Nosy.