Jiro sy rano : Herintaona dia ho voavaha ny olana rehetra
Nanamafy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa tokony handeha ny jiro mandritra ny ora fiasana. Efa nandraisana fepetra ihany koa ny famatsian-drano. Mbola mitohy hatrany nefa ny famahana ny olan'ny fahatapahan-jiro sy rano.
Nitafa tamin'ny vahoaka malagasy tamin'ny alalan'ny TVM/RNM ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, fandaharana izay niainga mivantana teny amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra. Nitafa mikasika ny fiainam-pirenena amin'ny ankapobeny ny tenany, indrindra ireo olana ara-tsosialy tsy azo iodivirana.
Ady amin'ny "Délestage"
Mbola mitohy hatrany ny ady amin'ny fahatapahan-jiro, na dia efa teo aza ny fanapahan-kevitra noraisina ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Misy ireo toerana efa mahatsapa ny fihenan'ny fahatapahan-jiro, saingy misy ireo faritra mbola mitaraina mafy fa mihamafy aza izany. Azo lazaina nefa fa efa tena mikaro-bahaolana tokoa na ny avy ao anivon'ny Fitondram-panjakana na ny avy ao amin'ny Jirama. Mahazo mahatoky ny vahoaka malagasy fa hihamaivana ny fahatapahan-jiro, izany hoe afaka hiasa tsara avokoa ny rehetra. Kendrena mba handeha ny jiro amin'ny 6 ora maraina hatramin'ny 10 ora alina.
Tsara ny manamarika fa efa hatramin'ny taona 2019 no nanombohana nametrahana ireo "parcs solaires" manampy amin'ny famatsiana herinaratra.Ny ao Ambatolampy ohatra dia hahazoana 20 MW. Samy misy Parc Solaire 4 MW avy ny ao Antsirabe sy Mahajanga, 2,4 MW ny ao Antsiranana ary 2 MW avy ny ao Toamasina, Ambatondrazaka ary Toliara.
Misy fanarenana tokony atao, hoy ny filoham-pirenena, eo anivon'ny Jirama. Maro mantsy ireo mitaraina momba ny fiakaran'ny faktiora aloha. Anisan'ny olana ny fanaovana "auto-relevé" saingy mety misy fitambarany avy eo ny vola aloha. Ny hofana kaontera ihany mantsy aloha no alain'ny Jirama ka ny volana manaraka vao mitambatra ny fandaniana.

Ezaka mitohy hamatsiana jiro sy rano
Tsy tokony hanana olana amin'ny fahatapahan-jiro intsony ny eto Madagasikara amin'ny herintaona toy izao, ary fanamby apetraka mihitsy izany, araka ny nambaran'ny filoham-pirenena. Tsiahivina fa efa ao Toamasina ny "Groupe" 105 MW, izay tokony apetraka mialoha ny volana aprily 2025. Efa ho ampiasaina ihany koa ny parc solaire hahazoana 50 MW. Nasongadin'ny filoham-pirenena ny fahataran'ny asa sasany, noho ireo tompon'andraikitra somary ela amin'ny fanatanterahana ny asany. Na dia efa eto Madagasikara aza ireo fitaovana ireo dia mbola misy fandaminana sy asa maro tokony atao.
Mikasika ny rano kosa, maro ihany koa ny esaka goavana tokony atao. Anisan'ny mampihena ny famatsian-drano ny fahanteran'ny fotodrafitr'asa, izay misy fitaovana azo tamin'ny taona 1930. Misy ireo fantsona vaky, ary tsy voatery ho hita maso izany. 30% nefa ny fatran-drano very amin'izany. Tsy adino ny haintany izay mampihena ny rano eny Mandroseza, izay mamatsy rano an'Antananarivo. 300 000 m3 isan'andro ny filàna raha 200 000 m3 ny famokarana. Nampahatsiahivin'ny filoham-pirenena ihany koa ny toromarika mikasika ny tsy tokony hanondrahana ny bozaka amin'ny ranon'ny Jirama, ho an'ireo izay manana zaridaina. Politika ampiharina amin'ny fitsitsiana rano izany.
Vahaolana maharitra ny fametrahana fitehirizan-drano "Station de traitement et de pompage" vaovao eny Amoron'Ankona sy Faralaza Ambohidratrimo ary Ambohitrimanjaka. Maherin'ny 90 000 m3 ny rano ho azo amin'ireo toerana 3 ireo. Asa miandry ihany koa ny fanoloana ny fantsona arafesina sy simba 64 000 km eto Antananarivo, ary hisy ihany koa ny fanitarana ny fantsona 50 km ho an'ireo faritra manodidina (Soavina, Ampanefena, Ambohijanaka).
Tsara ny mampahafantatra fa efa hapetraka eny anivon'ireo "Station de pompage" ny "Groupe de secours", mba handeha foana ny famatsian-drano na tapaka aza ny jiro.