• Cours de change
  • 5109.45 AR
  • |
  • $4478.81 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

BNGRC : Hatsaraina ny paikady hiatrehana ny loza, hoy ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel, Tale vaovao

10/11/2025 16:40 © Moov

Notanterahina androany, teny amin’ny Foiben’ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindondoza sy ny loza (BNGRC) ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, Tale Jeneraly teo aloha, sy ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel, Tale Jeneraly vaovao.

Miomana mialoha

Raha ny fanambaran’ny avy ao amin’ny foibe famantarana ny toetr’andro dia heverina hatramin’ny 3 ny rivo-doza mety hahakasika an’i Madagasikara. Ho ezahina ahena araka izay azo atao ny fiantraikan’izany amin’ny Malagasy, raha ny fanambaran’ity Tale Jeneraly vaovao ity. Isan’ny fepetra ho raisiny amin’izany ny fametrahana ny fitaovana hananan’ny BNGRC, mialoha, eny amin’ireo toerana sy any amin’ireo faritra tena ahiana amin’ny loza voajanahary.
Etsy ankilany, hoy hatrany ny tenany dia hidina mialoha antsehatra ihany koa ireo teknisianina hanatanteraka ny fanomezana fanazaran-tena ireo mponina sy ireo tompon’andraikitra, entina miatrika ny loza. « Asa efa nisy avokoa ireo rehetra ireo fa ezahina hatsaraina araka izay azo atao. Hanohizana ny ezaka efa nataon’ny teo aloha izany », hoy hatrany ny Tale vaovao, ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel. Ny tenany moa izay ny nambarany dia efa niasa tao amin’ny BNGRC, ihany, no nandray izao toerana izao.

Ampiasaina ny tahiry nasionaly hiatrehana ny loza

Nanomboka ny taona 2024 i Madagasikara no nampiasa ny tahiry nasionaly ho fiatrehana ny loza voajanahary. Efa vonona tanteraka izany ho an’ny taona 2025, hoy ny Tale vaovao ka ho ampiasaina, mba hahafahana miatrika ny loza amin’ny fomba mahomby kokoa. Isan’ny tena ahitana izany voalohany any amin’ireo faritra tena marefo, toy ny amin’ny ilany atsinanana sy ny atsimo. Nanamarika ihany koa ny tenany fa efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra ny BNGRC amin’izao fotoana izao. Nisaotra ny Tale teo aloha moa ireo mpiasa nanatrika ity fifamindram-pitantanana ity.

Lire la suite

Articles Similaires