Fampianarana : Manodidina ny 5000 isan-taona ny tanora mahavita fianarana momba ny fizahan-tany
Manomboka miroborobo eo amin’ny tanora ny fampianarana manodidina ny fizahan-tany. Raha ny antontan’isa farany izao dia maherin’ny 5 000 isan-taona ny isan’ny tanora mahazo ny mari-pahaizana « DTS » sy « licence » amin’ity sehatra ity. Ireo izany no isan’ny tanora mitady asa isan-taona momba io sehatra iray lehibe io.
Nitombo ny mpianatra
Ny momba ny fitantanana, ny serasera mankany amin’ny fanaovan-gazety, ny lalàna, ireo no tena nahaliana ny tanora malagasy teo aloha teo. Amin’izao fotoana izao dia manomboka mahazo vahana indray ny manodidina ny fizahan-tany. Raha ny fanazavana hatrany dia nahitana fiakarany io isan’ny mpianatra tafavoaka isan-taona io. Manodidina ny 3 000 eo ho eo ny isan’ireo mpianatra mahazo ny mari-pahaizana DTS raha eo ho eo amin’ny 2 500 eo kosa no mahazo ny « licence » hoy hatrany ny fanazavana. Mbola malalaka ihany koa ny sehatra amin’izao fotoana izao ka mbola azo hidirana tsara. « Mbola betsaka ny asa azo hatao amin’izao ary manomboka mitombo ihany koa ny toerana azo hiasana”, hoy ny fanazavan’ireo mpisehatra.
Misedra olana ny fikarohana asa
Raha ny fanazavan’ny Filohan’ny filankevim-pitantanana ny Tour Opérateur eto Madagasikara, Angélo Rakotoniaina dia miasa anaty birao ny 50% amin’ireo tanora mivoaka amin’ny toeram-pianarana. Misehatra amin’ny tontolon’ny fitarihan-dia kosa ny 30% raha eo amin’ny sehatry ny trano fandraisam-bahiny sy fianarana sakafo ny 20%. Etsy ankilany anefa dia misedra olana ireo tanora mitady asa ireo. « Betsaka no tafita amin’ny fianarana saingy misy ny fepetra hahafahana milaza fa matihanina izy ireo. Ao anatin’izany ny fahaizana tenim-pirenena maro sy ny fahafantarana ny torolalana maro samihafa. Olana sedrain’izy ireo izany ka tsy ahitan’izy ireo asa na dia malalaka aza ny sehatra », hoy hatrany ny fanazavana. Anisan’ny tenim-pirenena tokony efa ho hay ankoatra ny anglisy ny teny italianina, alemana, espagnol, russe, perse, ary ny teny sinoa. Ireo firenena ireo izay efa mahatonga mpizahatany maro isan-taona eto Madagasikara. Ao anatin’izany rehetra izany dia ilaina ny fanatanterahana ny fizaran’asa hampitomboana ny fahaiza-manao.