• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aboaho Ankiaka
Image
Vaovao

Antsohihy : Sakinah no lany Miss Dona-Be 2024

27/07/2024 06:44 © Moov

Ramatoakely Sakinah no nisalotra ny anaram-boninahitra MISS DONA-BE 2024. Ny fitsangatsanganana any Maorisy no loka goavana azony.

Ao anatin'ny Festival Dona-Be tanteraka ny ao Antsohihy amin'izao fotoana izao. Ny alarobia 25 jolay teo no nanombohana ny hetsika. Ankoatra ny seho iarahana amin'ireo mpanakanto fanta-daza isan-kariva, maro ireo fihetsiketsehana ara-koltoraly sy ara-panatanjahantena.

Miss Dona-Be

Tao amin'ny Tranompokonolona Antsohihy no nanatanterahana ny fifaninanana hatsaran-tarehy izay nandraisan'ireo tovovavy anjara. Niady tokoa ny lalao satria samy manana ny hatsarany ny tsirairay. Rehefa nanapa-kevitra ireo mpitsara dia i Sakinah no notolorana ny satroboninahitra. Any Maorisy ny tenany no hialasasatra tsy ho ela. Samy nanolotra loka ihany koa ny mpikarakara sy ireo mpanohana ny Festival.
Ramatoakely Alida kosa no 1ère Dauphine Miss DONA-BE‚ ka lelavola 1 tapitrisa Ariary sy fitsangatsanganana any Nosy-Be ny fanomezana azony. Ramatoa kely Nathalie 2ème Dauphine izay hiala sasatra any Nosy-Be ihany koa.
Mitovy hatrany ny Festival Dona-Be ao Antsohihy hatramin'ny rahampitso 28 jolay.

Lire la suite

Articles Similaires