• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nass Pictures
Image
Vaovao

Mada Gospel Festival : Hetsika maro isan-karazany, ho fampiroboroboana ny « gospel »

26/07/2024 16:03 © Moov.Mg

Nosokafana omaly alakamisy 25 jolay, teny amin’ny Havoria Anosy, ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 28 jolay izao, ny hetsika Mada Gospel Festival andiany voalohany.

Atrikasa sy famelabelaran-kevitra

Tsy eto Madagasikara ihany fa efa fanao ny hetsika tahaka izao, any amin’ny renivohi-pirenena maro maneran-tany. Rehefa maheno ny teny hoe : « gospel », dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny hira fiderana. Tsy fampisehoana rindran-kira fiderana fotsiny anefa ny Mada Gospel Festival, fa maro ireo hetsika hotanterahina mifandraika amin’ity karazan-kira ity. Ho an’ny androany, ohatra, dia nisy ny famelabelaran-kevitra niompana tamin’ny « gospel » sy ny fandraharaharana, teny amin’ny Ivokolo Analakely. Nisy ihany koa ny atrikasa momba ny fanoratana ny hira « gospel », tao amin’ny Tana City Church (TCC) Analakely. Ny tolakandro dia ny fomba fihirana ity karazan-kira ity indray no niompanan’ny atrikasa, teny amin’ny Havoria Anosy, ary hofaranana amin’ny rindran-kira sy seho filatroana ny andro androany, eny amin’ny Havoria Anosy hatrany.

Fampirantiana sy lalaon-tsaina

Eo ambany fiahian’ny ministeran’ny serasera sy ny Kolontsaina (MSK) ity hetsika ity, ka nanatrika ny fotoam-panokafana, omaly, ny minisitry ny MSK mpisolo toerana, Rafaravavitafika Rasata. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nilazany fa isan’ny kanto tokony hampiroboroboina ny « gospel », noho izy mitondra fanabeazana sy fivoarana amin’ny lafiny maro, indrindra ny kolontsaina. Ny tarika Singers of Jesus, GMMC ary TGC no nisantatra ny fanokafana ny hetsika, omaly. Nosokafana omaly ihany koa ny fampirantiana ny tantaran’ny mozika « gospel ». Nanomboka androany ary hitohy rahampitso kosa ny lalaon-tsaina « Quizz Gospel », ka afaka mandray anjara amin’izany daholo ny rehetra. Eny amin’ny Havoria Anosy no hanatanterahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires