• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Vokatry ny doro tanety : Mihena isan-taona ny velaran'ny ala voajanahary

26/07/2024 15:21 © Moov.Mg

Manomboka miditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny afo isika, izay fotoana mampirongatra ny doro tanety sy doro ala. Dieny izao, dia efa manentana ny amin’ny tokony handraisana fepetra hisorohana ny afo ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Tolo-kevitra 12

Tao anatin’ny 10 taona dia tsikaritra fa nihanitombo ny fandoroana ala sy tanety, araka ny nambaran’ny ny Hetsika Alamino, izay tarihin’ny INDRI (Initiative pour le développement, la restauration écologique et l'innovation). Nahatratra 23% ny faritra rakotr’ala ringana, nanomboka ny taona 2000, ka ny taona 2017 no tena nahitana fandripahana mihoampapana : 510.000 hektara no ripaka, nandritra ny taona iray monja. Efa hiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny afo indray isika izao, ka manentana sahady ny firaisamonim-pirenena ao anatin’ny Hetsika Alamino, mba hisoroka izany, tsy hitera-doza ho an’ny ala sy ny faritra arovana. Notsiahivin’izy ireo fa efa namoaka tolo-kevitra azo tanterahina tsara, miisa 12 izy ireo, tamin’ny taona 2021, mba hisorohana sy hiadiana amin’ny doro ala. Niarahana niasa tamin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovainjafy izany. Isan’izany ny fanetsiketsehana sy fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena, ny fananganana rafitra manokana misahana ny ady amin’ny afo, ny fampiasana fitaovana manara-penitra, ny fanamafisana ny fanaraha-maso…

Fepetra hentitra

Nanamarika ny INDRI fa mihena isan-taona ny velaran'ny ala voajanahary, nefa tena ilaina amin'ny fitazonana ny loharanon-drano sy ny fifehezana ny toetr'andro ny ala. Eo ihany koa ny Faharinganan’ny karazanjavamananaina, ka tafiditra ao anatin’izany ireo biby tsy manam-paharoa toy ny varika, izay very toeram-ponenana sy atahorana ho lany tamingana. Etsy an-daniny, mazàna no manambara fahalotoan’ny rivotra ireo fitaovam-pandrefesana, satria mandoto ny rivotra iainana ny setroka ateraky ny afo, ary mitarika loza ho an’ny fahasalamana. Manao antso avo, noho izany ny INDRI, mba hanaovan’ny Filoham-pirenena fanambarana ofisialy amin’ny haino aman-jery, ho fanentanana ny vahoaka tsy handoro ala sy faritra arovana. Mangataka ny tena hampiharana ny tsy famindram-po (Tolérance zéro) ihany koa izy ireo, ho an’ireo manimba ny faritra arovana, ary mba tena hampiharina ny sazy voalazan’ny lalàna. Angatahan’izy ireo, ankoatra izay, ny hampiasana ny miaramila hanamboatra aroafo, hanamafy ny fanaraha-maso ary hanampy amin’ny famonoana haingana ny afo.

Lire la suite

Articles Similaires