• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fifidianana Ben’ny tanàna: Ny datin’ny 11 desambra, daty vaovao natolotry ny CENI hanatanterahana ny fifidianana

26/07/2024 14:46 © Moov

Nangataka daty vaovao hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta. Valin’izany dia ny datin’ny 11 desambra indray no daty vaovao naroson’ity vaomieram-pirenena momba ny fifidianana (CENI) ity. Androany no nanambaran’ny mpampaka-tenin’ny CENI izany tetsy amin’ny biraony etsy Ivandry.

Miandry filankevim-panjakana

Nahemotra ho amin’io daty io indray araka izany ity fifidianana fahatelo lehibe ity raha tokony ho tanterahina ny 6 novambra. Etsy andaniny anefa dia tsy maintsy mandalo antanan-tohatra maro ny fankatoavana io daty io. Araka ny lalàna izay mipetraka manko dia tsy tokony ho tanterahina ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana ny fifidianana. Izany hoe eo anelanelan’ny faran’ny volana novambra hatramin’ny faran’ny voalan aprily. « Ny fitsarana mahefa sy ny filankevim-panjakana ihany no tompon’ny teny farany amin’io daty io. Izy ireo no mamaritra raha tsy mandika lalàna io daty napetraka io ka hanaiky izany », hoy ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny CENI hatrany. Araka izany, raha eken’ireo rafitra ireo io daty farany naroso io dia miandry ny didim-panjakana manainga ny mpifidy handatsa-bato sisa mba hahafahana manomboka ny fikarakarana rehetra. Etsy andaniny anefa dia efa miantso ny Malagasy rehetra mba handray anjara amin’izany fifidianana izany sahady ny ao amin’ny CENI.

Antony ara-teknika

Raha ny taratasy izay nalefan’ny Praiminisitra tamin’ny CENI ity dia mbola maro ireo lamina tokony hapetraka sy olana ara-teknika tokony vahana, ka izay no ilaina io daty vaovao io. Anisan’izany ohatra ny mbola tsy fisian’ny Governemanta tafatsangana amin’izao fotoana izao io. Etsy andaniny anefa dia maro ireo fanapahan-kevi-panjakana no ilaina ireo Governemanta ireo ary ao anatin’izany ny momba ity fifidianana ity. Mifantoka ao anatin’ny fifidianana ben’ny tanàna avokoa manko amin’izao ny resaky ny mpanao politika. Izany no tokony handraisana ho zava-dehibe ity fanapahan-kevitra ity. Raha tsy ankatoavin’izy ireo io daty farany io dia mety ho amin’ny herintaona indray no andrasana ny fanatanterahana ny fifidianana. Hitombo taona iray mahery araka izany ny fe-potoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna amin’izao, raha izany no miseho. Raha tsiahivina dia ny taona 2019 no nanatanterahana io fifidianana ben’ny tanàna farany io.

Lire la suite

Articles Similaires