• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Frantsa – Madagasikara :Fihaonan'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina

26/07/2024 06:57 © Moov.Mg

Iray amin’ireo filoham-pirenena Afrikanina 12 voaasa hanatrika ny lalao olaimpika any Frantsa ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina. Efa tonga any an-toerana omaly izy, araka ny fampitam-baovao.

Lanonam-panokafana ivelan’ny kianja

Anio alina no hanatanterahana ny lanonam-panokafana ny lalao olaimpika sy paralaimpika any Parisy. Olom-panjakana an-jatony, ahitana filoham-pirenena, filoham-panjakana, filohan’ny governemanta, mpanjaka, mpitantana vondrona iraisam-pirenena ary filohana fikambanana iraisam-pirenena maro no hanotrona ny filoha Emmanuel Macron mivady, amin’izany lanonana izany. Isan’ny hampiavaka azy ity ny tsy fanatanterahana azy any anaty kianja, toy ny mahazatra ary voalohany vao nisy ny toy izany. Eo amoron’ny reniranon’i La Seine tokoa mantsy no hatao ity lanonam-panokafana ity. Hamakivaky ny renirano ireo atleta manodidina ny 10 500 isa, izay handray anjara amin’ireo fifanintsanana isan-karazany, ary hiafara ao amin’ny Trocadero, manatrika ny Tour Eiffel, ny diabe fanombohana. Ao no hanatontosana ny lanonana ôfisialy.

Fiaraha-miasa amin’i Frantsa

Any Parisy, hanatrika ity lanonam-panokafana ny lalao olaimpika ity, ny filohan’ny Repoblika malagasy. Fa mialoha izany dia hihaona manokana amin’ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron ny tenany, amin’ny fiantombhan’ny tolakandro, raha tsy misy ny fiovana. Momba ny fiaraha-miasa misy eo aminy firenena roa tonta no vontoatin’ny dinika, araka ny fampitam-baovao, ka hitadiavana ny fomba hampiroboroboana izany fiaraha-miasa izany.
Tsiahivina fa alteta miisa 7 no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity lalao olaimpika any Parisy ity. Hanomboka anio izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 11 aogositra.

Lire la suite

Articles Similaires