• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fifandraisana iraisam-pirenena : Hitsidika an’i Guinée Bissau sy Angola ny Filohan’ny Repoblika

25/07/2024 15:42 © Moov

Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana an’i Guinée Bissau sy Angola ny Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara, hoy ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra, omaly. Voalohany, hitsidika an’ny Guinée Bissau ny tenany ny 29 sy 30 jolay izao ary any Angola kosa ny 31 jolay sy ny 1 aogositra. Tanjon’ireo fitsidihana ireo ny fanatsarana ny fifandraisana ara-piarahalahiana sy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ireo firenena roa tonta ireo.

Angola

Misokatra amin’ny firenena maro i Madagasikara. Ny tanjona amin’izany dia ny hampitomboana ny traikefa ho amin’ny fampandrosoana. Ao anatin’izany ihany koa ny fanamafisana ny firahalahiana. Tombony amin’izany ny hahafahana mifampizara traikefa. Raha ho an’ity firenena ity manokana dia fanohizana ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny fifandraisana ara-diplômatika eo amin’ny firenena roa tonta ity dia ity. Efa nanomboka ny 8 jolay lasa teo no nanombohan’izany. Io fotoana io ihany koa no hametrahana ny lasitry ny fiaraha-miasa amina sehatra misy tombontsoa. Ao anatin’izany ny sehatry ny fambolena, ny toekarena manga sy ny toekarena, ny angovo ary ihany koa ny akoran’afo. Tsara ihany koa ny manamarika fa manana hery ara-toekarena matanjaka i Angola. Manana solika sy entona, diamondra, sy ireo sehatra hafa izy ireo afaka manome azy ireo izany fivoarana ilainy izany. Saingy maro ireo fepetra somary nampidina ny fari-pianan’ny mponina tao ho ao. Araka izany, ity fitsidihana ity dia tokony hahazoana tombony ho an’ny firenena roa tonta ihany koa.

Guinée Bissau

Hiavaka kosa ny fitsidihana an’ny Guinée Bissau amin’ity dia ity. Hitondra ainga vao eo amin’ny firenena roa ity fitsidihana ity. Hiarahanmijery ihany koa ny lalam-piaraha-miasa vaovao eo amin’ny sehatry ny fambolena, harena an-kibon’ny tany, ny jono, ny fizahan-tany ary ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Marihina ihany koa fa anisan’ireo firenena mbola manana mponina marefo i Guinée Bissau saingy hitondra vokany ho an’ny firenena roa tonta ity fitsidihana ity. Raha tsiahivina dia anisan’ny firenena nanohana an’ny Madagasikara nandritra ny COVID-19 ity firenena ity. Anisan’ny nampiasa ny CVO izay novokarina teto izy ireo. Vokatr’izany dia antenaina ny hitohizan’ny fiaraha-miasa ho amin’ny tsara hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires