• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Scofield Travel
Image
Vaovao

Fotoam-pialantsasatra : Manomboka maro ny Malagasy misafidy ny dia voalamina eny amin’ny mpikarakara dia

25/07/2024 11:48 © Moov

Ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialantsasatra tanteraka ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Manomboka mivoatra ihany koa ny fomba fanatanterahana izany. Mitombo hatrany ireo malagasy misafidy ny dia voalamina (voyage organisé) amin’izao, raha ny fanazavan’ireo Agence de voyage isan-karazany eto Madagasikara.

Mihena kokoa ny vola lany

Manomboka misafidy ity fomba fialana sasatra ity ny ankamaroan’ny malagasy amin’izao fotoana izao. Raha ho an’ity fiankaviana iray ity, efatra izy ireo no handeha, kely noho ny fandaniany ny vola aloha amin’ny Agence de voyage, raha ny fanazavan’izy ireo. Tsara ny manamarika fa efa maro ihany koa ireto orinasa ireto no manome tolotra voaray ao avokoa ny mety ho fandaniana rehetra. « Mora kokoa ilay mandeha amin’ny agence kanefa mety hita avokoa ireo mampiavaka ny toerana. Etsy andaniny dia efa voalamina mialoha avokoa ireo toerana ho tsidihina fa manatanteraka fotsiny sisa », hoy Alexandre, Raim-pianakaviana. Nanamarika ihany koa ireo Agence de voyage fa milamin-tsaina kokoa ireo mpandeha satria tsy misy eritreritiny intsony. Izany no tena mahaliana kokoa ny Malagasy amin’itony dia voalamina itony amin’izao. Efa ahitana orinasa manome tolotra dia voalamina ho an’ny faritra rehetra manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao.

Be mpandeha i Nosy Be

Faritra maro eto Madagasikara no afaka hitondran’ireo Agence ny Malagasy. Amin’izao fotoana izao kosa anefa dia mbola mitana ny laharana voalohany hatrany i Nosy be. Raha ho an’ity Agence de voyage iray ity, ho an’ity volana jolay ity izao dia efa hatramin’ny 60 ireo Malagasy no nandeha tany Nosy Be tamin’ny alalan’ny dia voalamina. Miha-mitombo hatrany izany raha ny fanazavana. « Amin’ny volana aogositra efa fenofeno avokoa ny toerana. Raha ny antontan’isa farany izao dia efa hatramin’ny 200 eo no mety ho entinay any Nosy Be », hoy i Stéphane Scofield, avy ao amin’ny Scofield Travel. Raha ho an’ity Agence ity manokana dia mitentina 990 000 ariary ny 8 andro. Aorian’ny Nosy Be no misy an’ny Toliara sy Sainte Marie ho an’ireo toerana betsaka mpandeha. Etsy andaniny kosa anefa dia mbola itambaran’ireo mpandeha eny amin’ny lalam-pirenena rehetra ny faharatsian’ny lalana izay tokony hasiana fanavaozana avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires