• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

Festival Dona Be : Fararanon-danonana ny any Antsohihy, mandritra ny 4 andro

24/07/2024 07:50 © Moov.Mg

Tanterahina manomboka androany 25 jolay 2024, any Antsohihy renivohitry ny Faritra Sofia, ny Festival Dona Be ary haharitra efatra andro izany. Andiany faharoa ny hetsika, ho an’ity taona 2024 ity.

Lanonam-panokafana makotroka

« Carnaval » lehibe mamakivaky ny tanàna no hisantarana ny hetsika, androany tolakandro‚ manomboka amin’ny 2 ora, ary hitohy amin’ny kabary hifandimbiasan’ireo manampahefana isan-tsokajiny izany, lanonam-panokafana izay hatao ao amin’ny “Terrain Travaux” Antsohihy. Mbola tafiditra ao anatin’ny lanonam-panokafana ihany koa ny alim-pandihizana hafanain’i Dadi Love, no sady hanatanterahana ny famaranana amin’ny fifanintsanana « Miss Dona Be ». Izay mahazo voalohany amin’ity fifaninanana hatsaran-tarehy ity dia hahazo loka fialan-tsasatra any amin’ny Nosy Maorisy. Ao amin’ny Tranompokonolona Antsohihy no hanatanterahana izany lanonana izany, manomboka amin’ny 09 ora alina.

Fampisehoana sy fanatanjahantena

Maromaro ireo fampisehoana ho hita, mandritra ity Festival Dona Be ity, handraisan’ireo mpanakanto zanaky ny Faritra sy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy anjara. Isan’izany i Tence Mena, Docteur Love, Lico Kininike, Lousfah, Anicette, Tukson… Ankoatra ny seho an-tsehatra dia hisy ihany koa ny fifaninana ara-panatanjahantena, toy ny hazakazaka lavitr’ezaka, ny hazakazaka am-bisikileta, ny lalao « basketball »… Efa nisantarana ny hetsika moa ny famoran-jaza faobe, izay notanterahina ny zoma 19 jolay 2024. Isan’ny manohana izao Festival izao ny Telma Madagascar, noho i Dadi Love « ambassadeur » an’ny orinasa, angady nananana sy vy nahitana ny Dona Be. Ankoatra izay dia notsindrian’ny mpikarakara fa efa milamina tanteraka ny fandraisana ireo vahiny ho avy hanatrika sy handray anjara amin’ny hetsika. Ampy handraisan’olona ireo fandraisam-bahiny ao Antsohihy, ny fandriampahalemana ihany koa dia efa iarahana miasa amin’ireo mpitandro ny filaminana.

Lire la suite

Articles Similaires