• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Trano mora eny Imerintsiatosika : Tonga eo amin’ny dingan’ny fifanarahana ara-barotra

24/07/2024 14:36 © Moov.Mg

Taorian’ny fisarihana ny anaran’ireo izay hisitraka ny trano mora eny amin’ny tanàna vaovao eny Imerintsiatosika, dia dingana hirosoana manomboka eto ny fifanarahana ara-barotra. Nitondra fanazavana momba izany ny avy eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana (SENVH).

Mamarana ny asa

Fonenana miisa 320 no azon’ny olona sitrahina eny amin’ny tanàna vaovao eny Imerintsiatosika. Nihaona tamin’ireo olona nahafeno fepetra sy efa vita fisarihana, ka ho afaka misitraka izany, ny avy eo anivon’ny SENVH, ary nitondra fanazavana ny amin’ny dingana fandoavam-bola. Niompana tamin’ny fanazavana mikasika ny fahafahan’ny sokajin-tokatrano tsirairay manefa ny vidin'ny trano, ny fihaonana, ary koa ny fanohizana ny dingana manaraka, hahafahan’ireo olona efa voasarika ireo misitraka tanteraka ny trano. Raha tsiahivina dia tamin’ny 3 febroary 2023 no nanatanterahana izany fisarihana izany, ka ny 2631 tamin'ireo 3506 nisoratra anarana no nahafeno ny fepetra sy afaka nandray anjara. Ny 69 amin'ireo dia mponina ao amin'ny Distrikan’Arivonimamo. Notanterahina teo ambany fanaraha-maso sy fanamarinan’ny vadintany sy ny sampana miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny SENVH ny fisarihana natao tamin’izany. Eo am-pamaranana ireo asa sisa tavela ankehitriny ny tomponandraikitra, toy ny fefy sy ny fanajariana ny ivelany.

Aloa tsikelikely

Nampahafantatra moa ny SENVH fa azo atao tsara ny manefa ny vidin'ny trano rehetra naorin’ny Fanjakana manerana ny Nosy, mandritra ny taona maro, izany hoe : ao anatin’ny 15 hatramin'ny 20 taona, ka iarahana miasa amin'ny banky izay matihanina amin’ny fampindramana sy fandraisana fandoavam-bola tsikelikely izany. Ho an’ireo tokantrano izay afaka manefa ny vidin’ny trano ao anatin'ny 5 taona kosa, dia namoraina ny fepetra hahafahana mandoa izany mivantana, amin'ny alalan'ny ANALOGH (Agence Nationale d'Appui au Logement et à l'Habitat). Ho an’ny trano mora eny Imerintsiatosika dia efa afaka manatona ny ANALOGH ireo hisitraka ny trano, mba ho fanatanterahana ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-barotra. Hirosoana miandalana ihany koa ny any amin'ny faritra hafa.

Lire la suite

Articles Similaires