• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fambolena honko : Teknika vaovao sy mahomby no hampiharina any Kimony Morondava

24/07/2024 12:37 © Moov.Mg

Marihina manomboka androany ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ala honko, ho antsika eto Madagasikara. Any Morondava, Faritra Menabe, no hanatanterahana ireo hetsika mifandraika amin’izany, manomboka androany 24 hatramin’ny rahafak’ampitso 26 jolay 2024.

Ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro

« Ala honko : vahaolana maharitra amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro », io no lohahevitra nasiônaly entina manamarika ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ala honko amin’ity taona ity. Rohivoahary manana ny lanjany ara-tontolo iainana sy ara-toekarena ny ala honko, hoy ny fanentanan’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ao anatin’izao fanamarihana izao. Miaro ny morontsiraka tsy ho kaohin’ny ranomasina izy, manampy betsaka amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro, noho izy mitahiry entona karbônina avo 5 heny noho ny ala tsotra. Miara-miasa amin’ireo rohivoahary hafa, toy ny vatohara ihany koa ny ala honko, izay miantoka ny fahasalaman’ny karazanjavamananaina, ny ranomasina ary ny olombelona. Ankoatra izay dia toeram-panatodizana sy fitomboan’ireo hazan-dranomasina isan-karazany sy ny vorona ihany koa izy. Noho ireo rehetra ireo dia mandray anjara lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga ny ala honko, ka zava-dehibe ny fiarovana azy ireny tsy ho simba.

Famerenana amin’ny laoniny

Tafiditra ao anatin’ny hetsika ho fanamarihana ity andro iraisam-pirenena ity, ny fambolena honko izay hotanterahina ao Kimony Morondava. Efa nanomana ny toerana hanaovana izany ireo vondron’olona ifotony any an-toerana. Rakotra ala honko io faritra hovolena io taloha, fa efa simba. Efa niezaka namboly honko teo ihany koa ireo Vondron’Olona Ifotony (VOI), isan-taona, saingy tsy velona izany, araka ny voalazan’ireo. Misy teknika vaovao, noho izany, entina hamerenana amin’ny laoniny ny ala honko, ka ny WWF Madagascar no miara-miasa amin’ireo VOI amin’izany. Fomba roa no atao, dia ny fanamboarana sy fanarenana ny lakan-drano (réhabilitation hydrologique). Rehefa miakatra mantsy ny haavon’ny ranomasina dia mitobaka any amin’ilay lakan-drano ireo rano miangona, ary mety handifotra ireo honko novolena. Eo ihany koa ny fampiakarana ny haavon’ny tany (Réhabilitation topographique), izay hakarina 20sm miala ny haavon’ny ranomasina, amin’ny alalan’ny fananganana bongo (îlot) hahafahan’ny honko maniry tsara.

Rahampitso alakamisy moa no fotoana hanatanterahana izany fambolena honko ao Kimony izany, raha ny 26 jolay no tena fankalazana maneran-tany ny andro ho an’ny ala honko.

Lire la suite

Articles Similaires