• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Fampianarana ambony : Manambana ny hidina an-dalambe ireo mpianatr’Ankatso sy Vontovorona

24/07/2024 12:12 © Moov

Milaza ny hidina an-dalambe ireo mpianatr’Ankatso sy ireo mpianatra ao amin’ny Politeknika Vontovorona ato ho ato raha mbola tsy mivaly ny fangatahan’izy ireo. Izany no nivoitra nandritra ny valan-dresaka izay notanterahin’ireo Filohan’ny mpianatra miisa 10 omaly teny Ankatso.

Mpianatra miisa 3 000 manana olana

Anisan’ny iray amin’ny fangatahan’izy ireo ny hikarohana vahaolana ho an’ireo mpianatra mbola tsy nandray vatsim-pianarana mihitsy. Raha ny fanazavana avy amin’ireo Filohan’ny Fikambanan’ny mpianatra ireo dia efa mahatratra hatramin’ny 3 000 ireo mpianatra, manerana ny Nosy, mbola tsy nisitraka vatsim-pianarana mihitsy. Marihina fa hatramin’izao dia mbola ny vatsim-pianarana telo volana voalohany foana no efa noraisin’izy ireo. Misy amin’ireo mpianatra araka izany no mbola tsy nandray mihitsy kanefa efa madiva hifarana indray ny taom-pianarana. « Miisa teo ho eo amin’ny 1 000 eo ireo mpianatra nanana olana tamin’ny erintaona, ary mbola tsy nivaha izany olana izany. Niampy ny tamin’ity taona ity dia efa mahatratra eo amin’ny 3 000 eo izany no tsy afaka hisitraka ny zony », hoy ny Filohan’ny mpianatra ao amin’ny Fakiolten’ny Siansa. Araka izany, ankoatra ny tokony handoavana ny vatsim-pianarana telo volana faharoa, izay nampanantenaina ho tamin’ity volana jolay ity. Mangataka ny hamahana ny olan’ireo mpianatra ireo ihany koa ireto Filoha ireto.

Hampiakarina ny vatsim-pianarana

Ankoatra izany rehetra izany dia miandry fatratra ny tetiandro handraisana ny vatsim-pianarana telo volana faharoa izy ireo. Ankoatra izay anefa dia hivondrona ireo Filohan’ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy. Hitaky ny fampiakarana ny vatsim-pianarana no anton’izany fiarahan’izy ireo izany. « Hitaky izahay mba ho tombontsoan’ny mpianatra. Raha dinihina dia efa tsy mahafa-po raha oharina amin’ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao io vola raisina io. Hiaraka hitaky izany izahay Filohan’ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy », hoy ny fanazavana avy amin’ireo Filohan’ny mpianatra ireo. Nanamarika izy ireo fa amin’izay fotoana izay dia io fiakarana io irery no ho takian’izy ireo. Ny akaiky indrindra kosa amin’izao fotoana izao dia ny fidinana an-dalambe, raha mbola tsy tonga ny vatsim-pianarana.

Lire la suite

Articles Similaires