• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Toamasina : Mbola mitohy hatramin’izao ny fahatapahan-jiro sy rano

18/07/2024 10:21 © Moov

Maizina sy maina tanteraka ny Tanànan’ny Toamasina nanomboka tamin’ny alina. Raha tsiahivina dia vokatry ny fahamaizana taribin-jiro ambanin'ny tany, ka nahakasika ny tariby mitatitra herinaratra no nahatonga izany. Hatramin’ny alina ary mbola mitohy hatramin’izao izany fahatapahana izany. Goavana ny fahamaizana saingy manantena ny fiverenan’izany androany ireo mponina any an-toerana.

Fahanteran’ny fitaovana

Raha ny fanazavana avy amin’ny Teknisianin’ny Jirama Toamasina dia ireo « câbles de liaison » no nahitana fahamaizana. Nanamarika izy ireo fa ireo câble ireo no mitondra ny vokatra avy amin’ny tobim-pamokarana herinaratra rehetra ao Toamasina. Mialohan’ny hitsinjarana izany amin’ny mpanjifa dia mandalo eo amin’ny « sous-station » Verrerie Toamasina izany ka voakasiky ny fahamaizana avokoa ireo câble maromaro. Izany indrindra no nahatonga ny fahatapahan-jiro faobe ao amin’ny tanànan’ny Toamasina. Etsy andaniny anefa dia azo lazaina ho efa antitra ihany koa ireo fitaovana ireo ka mety antony nanamora ny fihitaran’ny fahamaizana izany. Marihina fa efa ela avokoa ny ankamaroan’ireo fitaovana ampiasaina ao anatin’ity Orinasam-panjakana Jirama ity. Ankoatra io tao Toamasina io dia miverimberina matetika ny fahasimbana fitaovana izay lazaina ho antony iray mahatonga ny fahatapahan-jiro. Mifanaraka amin’izany indrindra dia mbola maro ireo fanatsarana ara-pitaovana tokony hatao ao anatin’io orinasa io. Olana efa mateti-pitranga ny fahatapahan-jiro ho an’ny daholobe tahaka izao ka tokony hikarohana vahaolana haingana.

Hiverina androany

Tamin’ity zava-nitranga iray ity dia ny rano sy ny jiro mihitsy no tapaka tanteraka. Nanamafy kosa anefa ireo Teknisianina avy ao amin’ny Jirama fa efa andalam-panarenana izany izy ireo nanomboka tamin’ny alina. Amin’izao fotoana izao ihany koa dia efa tonga any an-toerana ny Goverinoran'ny Faritra Atsinanana Rafidison Richard Théodore sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny miaraka amin'ny Tale Jeneralin’ny Jirama. Manaramaso akaiky ny asa fanarenana ataon'ireo Teknisianina izy ireo. Tanjona amin’izany dia ny hiverenan'ny famatsiana androany ihany.

Lire la suite

Articles Similaires