• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascar Trotter
Image
Vaovao

RN2 : Adiny 14 ny dia Antananarivo - Toamasina

18/07/2024 06:55 © Moov

Miha-vitsy ireo mpialasasatra mamonjy ny faritra Atsinanana iny. Mampitaraina ny maro mantsy ny fahapotehan’ny lalam-pirenena faharoa (RN2).

355 kilometratra no mampiasaraka an’Antananarivo sy Toamasina. Adiny 8 teo ho eo no nanaovan’ny taxibrousse izany lalana izany. Raha fiara matanjaka, indrindra irony 4x4 irony, dia tena nahavita ny dia tao anatin’ny adiny 5 na 6 monja. Ankehitriny kosa, mila 14 ora be izao raha handeha taxibrousse mihazo an’i Toamasina. Raha fiara 4x4 dia vita adiny 10 na 11 ny dia. Tsy tafiditra ao anatin’izany ny mety ho sampona eny an-dalana, toy ny fibahanan’ireo fiarabe iny lalana iny.
Manomboka eo Antsampanana no tena ratsy ny lalana. Misy lavaka goavana tsy azo ialana hatrany, ka na ireo fiara avo aza tena sahirana. Misy rano matetika ireo lavaka ireo satria be orana any amin’iny faritra atsinanan’ny Nosy iny na dia amin’ny vanimpotoan’ny ririnina toy izao aza.
Mampihemotra ny mpialasasatra maro izany lalandratsy izany. Maro mantsy ireo te hitondra ankizy. Raha miala eto Antananarivo amin’ny 4 ora maraina izany, mila miomana fa maizimaizina vao tonga ao Toamasina. Ireo mpitatitra rahateo misy efa nampakatra sarandalana noho ny fahalafosan’ny fikarakarana ny fiara. 40 000 ariary no sarandalan’ireo zotra tena malaza, raha 30 000 ariary izany teo aloha. Ahiana ny mbola iakaran’izany sarandalana izany noho ny fiitaran’ny fahasimban’ny lalana hatrany, sy ny hampiakarana ny vidin-tsolika.

Toamasina-Foulpointe, lalana adiny 5

Ankafizin’ny maro tokoa i Foulpointe noho ny torapasika mahafinaritra ao an-toerana. Raha 60 kilometratra monja ny mampisaraka an’i Toamasina sy Foulpointe, adiny iray ihany no tokony lany eny an-dalana. Mila adiny 5 nefa ny dia (taxibrousse) noho ny haratsian’ny lalana. « Mandady » mihitsy ireo fiara rehetra, na ireo avo sy matanjaka aza. Misy ihany ny faritra voakojakoja tsara ny lalana, saingy kilometratra vitsy ihany izany raha atambatra. Vita adiny 3 na 4 eo ho eo kosa ny lalana raha fiara 4x4 no mandeha.

Azo atao andro iray tokoa ny dia miainga eto Antananarivo hatrany Foulpointe, saingy manakaiky ny misasak'alina vao tonga. Raha mitondra fiara manokana, tsara kokoa ny matory ao Toamasina, ka ny ampitso vao mihazo an'i Foulpointe. Tsy kilalaon-jaza mantsy ny lalana, sady mila fitandremana tsara ny mpamily mba tsy hisy olana ny fiara. Vitsy ihany nefa ny fianakaviana malagasy mahatakatra fiaramanidina. Raha ho ao Foulpointe rahateo tsy maintsy mandeha fiara ihany rehefa eo Toamasina.
Aman'aliny maro ny mpitatitra sy ny mpandeha miandrandra fatratra ny hisian'ny asa fanamboarana ny RN2, indrindra ny eo Antsampanana hatrany Toamasina. Fanirian'ny maro ihany koa ny hanamboarana ny lalana mampitohy an'i Toamasina sy Fénérive-Est. Tsy fanamboarana ihany nefa no ilaina fa fikolokoloana ihany koa. Anisan'ny lalana be mpampiasa indrindra eto Madagasikara mantsy ny lalampirenena faharoa ka tsy ilaozan'izay misy simba, indrindra amin'ny vanimpotoanan'ny fahavaratra.

Lire la suite

Articles Similaires