• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Produir
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Nampiana ireo trano famakiam-boky ao amin’ny Boriborintany voalohany

16/05/2024 14:28 © Moov

Mandray anjara amin’ny fanohanana ireo ankizy sy tanora eny anivon’ny fiaraha-monina ihany koa ny tetik’asa Projet de Développement Urbain Intégré et de Résilience (PRODUIR). Nampitomboana ny isan’ireo trano famakiam-boky eny anivon’ny fokontany sasany ao anatin’ny boriborintany voalohany tamin’ny alalan’ity tetik’asa ity.

Fokontany maro

Fokontany maro ao anatin’ny boriborintany voalohany indray no nisitraka ny fahazoana trano famakiam-boky ankoatra ireo toerana maro efa nametrahan’ny PRODUIR izany fotodrafitrasa izany. Fokontany miisa dimy izany voaray izany, ao anatin’izany ny fokontany III G Hangar, Andranomanalina, Andohatapenaka I sy Andohatapenaka II, ny fokontanin’Ambanilalana ao amin’ny kaominina Andranonahoatra. Ankizy sy tanora maro indray araka izany no afaka mahazo torohay sy fahalalàna momba ny fahasalamana, na lafiny hafa mahakasika ny sehatra isan-karazany. Boky avy amin’ny olom-pirenena, ny masoivohon’ny Etazonia, sy avy amin’ny tetikasa no nahafahana nameno ireo trano famakiam-boky ireo. Afaka hisokatra amin’ny fahalalana maro ary afaka mahazo tombontsoa manokana amin’izany ireo ankizy ireo vokatr’izany.

Fiaraha-mitantana

Nanampy hatrany ny tetik’asa ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fampiakarana ny letam-pahaizan’ireo ankizy sy tanora eny ifotony. Tamin’ity indray mitoraka ity dia fiaraha-mitantana no napetraka eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo fikambanana mitantana ny trano famakiam-boky. Efa nahazo fanofanana momba ny fitantanana trano famakiam-boky, momba ny informatika sy ny haitoro fikirakiràna boky, momba ny fitantanam-bola sy ireo fepetra isan-karazany takiana amin’ireo mpiasa amin’ireny trano ireny ireo mpikambana ireo. Ankoatra izany dia manantena fiaraha-miasa amin’ireo olona eny ifotony, indrindra ireo mpampiasa ny trano ihany koa ny tetik’asa PRODUIR. « Zava-hebibe ny fitantanana maharitra ny fotodrafitrasa. Singa iray lehibe amin’izany ny famporisihina ny olompirenena handray andraikitra amin’ny fiarovana ny trano sy ny boky izay misy ao anatiny. Samy manana andraikitra amin’izany ny tsirairay satria zava-dehibe ho an’ny taranaka ihany koa ireto », hoy hatrany ny tompon’andraikitra.

Lire la suite

Articles Similaires