• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Fandriampahalemana : Mitohy ny “Opération HARATO II”, any amin’ny Distrikan'Ankazobe

04/04/2024 16:29 © Moov.Mg

Hitohy ny “Opération HARATO II”, hetsika iraisan'ny Tafika sy ny Zandary izay efa nahitam-bokatra, mba ho famongorana ny tsy fandriampahalemana ifotony any amin’iny Distrikan'Ankazobe iny.

Hametrahana “Poste fixe”

Nidina ifotony, nijery ny zava-misy sy nitafa tamin’ny vahoakan’Ankazobe, indrindra ny ao Talata Angavo, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitry ny Fibaikoana izay nahitana ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly Deramasinjaka Manantsoa, ny Komandin'ny Zandarimariam-pirenenena, ny Jeneraly Rakotomalala Andriantahina, sy ireo rantsamangaika mamita iraka any an-toerana. Nalaza ratsy tamin’ireo trangana asan-dahalo, narahana vono olona sy fakana olona an-keriny iny Distrika iny tao ho ao. Tsy maintsy fongorina anefa ny tsy fandriampahalemana ifotony, ka hitohy ny “Opération HARATO II” izay efa nahitam-bokatra, hoy ireo minisitra roa mpikambana eo anivon’ny Goverinemanta, ary hametrahana “Poste fixe” ho an'ny Zandary ao Talata Angavo.

Nandray fepetra manokana

Raha ny vokatra efa azo, araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana, dia dahalo 21 no lavo ary olona 82 isa no nampidirina am-ponja vonjimaika, tao anatin’izany hetsika « HARATO II » izany. Teo koa ny fiaraha-miasa tamin'ireo vahoaka, izay manome angom-baovao. Mbola nanentana ny amin’ny tokony hitohizan’izany ireo Minisitra tompon'andraikitra amin'ny fitandroana ny filaminana, mba ahafahana mampanjaka tanteraka ny fandriampahalemana. Nomena toromarika, araka izany, ireo vahoakan’i Talata Angavo sy ireo mpitondra ifotony, na olom-boatendry izany na olom-boafidy. Tsy ekena ary tsy handeferana, hoy ireo Minisitra, ny fisian'ireo olona mpiray tsikombakomba amin'ny mpanao ratsy. Mbola tsy foana tanteraka mantsy ny trangana fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe. Ho an'ny Fokontany Manontanitsiloza, izay mbola nisian'ny fakana an-keriny vao tsy ela izay, dia efa misy fandraisana fepetra manokana hanavotana ireo takalon'aina sy hiarovana ireo mponina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo