Kolontsaina : Hapetraka amin’ity janoary ity ny taratasy fangatahana ho harem-bakoka iraisampirenena ny EKAR Ambodifotatra
Mitohy ny asa mifanandrify amin’ny fangatahana, amin’ny UNESCO, ny hampidirana ny Misiona Katolika Ambodifotatra, Sainte Marie, ho harem-bakoka iraisampirenena. Vita sonia androany, ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany.
Fiaraha-mientana manam-pahaizana maro
Efa nanomboka tamin’ny taona 2023 no nanomboka ny asa rehetra hahafahana mandrafitra ireo antontan-taratasy, entina mangataka izany, any anivon’ny UNESCO. Nisy fiaraha-miasa na manam-pahaizana, avy amin’ny sehatra isan-karazany tao anatin’izany. Isan’izany ireo mpahay tantara, mpahay tao-trano sy tao-tsarin-tany sy ireo manam-pahaizana ara-tontolo iainana. Nahitana malagasy sy vahiny maro tao anatin’izany ary indrindra nahitana tanora manana ny maha-izy azy. Isan’ny nandefa manam-pahaizana ihany koa ny avy amin’ny UNESCO, manamarina ny fepetra rehetra, tokony hajain’ireny toerana hatokana ho harem-bakoka iraisan’izao tontolo izao ireny. Tokana ny tanjon’ny rehetra dia ny hanomazan-danja io Misiona Katolika Ambodifotatra, ao Sainte Marie io, noho ny maha-toerana mana-tantara azy.
Raha tsiahivina dia io no fiangonana vita amin’ny vato, voalohany teto Madagasikara, sady manamarika ny fidiran’ny finoana kristianina teto. Mitahiry vakoka maro isan-karazany ihany koa izy io. Isan’ny antony hangatahan’i Madagasikara, hanandratana azy ho harem-bakoka irsan’izao tontolo izao azy, ireo fepetra mampiavaka azy isan-karazany ireo.
Vita sonia ny antontan-taratasy ho aterina any amin’ny UNESCO
Navondrona anaty antontan-kevitra iray moa ireo fikarohana samihafa ireo ary androany no nataon’ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, sonia. Ny dingana manaraka izany dia ny fanateran’ny Fitondram-panjakana izany antontan-kevitra izany, eo anivon’ny UNESCO, mba ho mariky ny fangatahana. Nanamarika ny Minisitra fa ho tanterahina amin’ity volana janoary ity ny fametrahana, ireo antontan-taratasy ireo.
Etsy ankilany dia nomarihin’ity Minisitra ity fa ny tanjona dia ny hahazoana io fankatoavana io, ao anatin’ny roa taona, izay hiasan’ny Governemanta, misy, amin’izao fotoana izao.


