• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Kamisy Odino
Image
Vaovao

Hetsika « Sarika » : Mpangalatra 14 isa no tratra, nandritra ny fetin’ny Paska

02/04/2024 10:03 © Moov.Mg

Tsy ilaozan’ny mpanararaotra ny vanim-potoanan’ny fety, saingy, nahazoam-bokatra ny hetsika « Sarika » ataon’ny Polisim-pirenena malagasy, nandritra iny fetin’ny Paska lasa teo iny, raha ho an’Antananarivo manokana.

Hetsika 15 andro

Natomboka ny 27 martsa lasa teo ity hetsika « Sarika » ity, manerana an’i Madagasikara. Polisy maherin’ny 5.000 isa no ahetsika, ao anatin’ny Faritra 23, araka ny fanazavana azo, nandritra ny fanombohana ny hetsika. Tanjona ny hanamafisana ny tany tan-dalàna sy ny fandriampahalemana, tsy tao anatin’ny fetin’ny Paska ihany, fa ao anatin’ny fotoana maharitra. Tafiditra ao anatin’izany ny ady atao amin'ny fiparitahana sy fidorohana zava-mahadomelina, ny ady amin'ny herisetra ary ny fisorohana ireo karazana asan-jiolahy, toy ny fanendahana, ny vaky trano sy ny sinto-mahery.

Fokontany maro

Ho an’Antananarivo, Faritra Analamanga, dia mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery miisa 11 no voasambotry ny polisy, teo anelanelan’ny alakamisy 28 martsa ka hatramin'ny alahadin’ny Paska 31 martsa. Mpamaky trano miisa telo ihany koa no tra-tehaka. Tany amin’ny Fokontany maro teto an-drenivohitra no nahatratrarana ireo mpangarom-paosy ireo, toy ny teny Sabotsy Namehana, Ambodin'Isotry, Ambodifilao sy Behoririka. Teny Andravoahangy kosa no nahasamborana ireo telo lahy namaky trano, ny 28 martsa. Mbola mitohy moa ity hetsika « Sarika » ity fa tsy mijanona hatreo, ary manerana ny Nosy izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo