• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Parlemanta : Mifarana androany ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana

09/02/2024 14:09 © Moov.Mg

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy androany 09 febroary maraina, rehefa niantomboka ny 29 janoary lasa teo, ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoanan’ireo Solombavambahoaka, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Nitarika izany lanonam-pamaranana izany ny filohan’ity andrimpanjakana ity, Razanamahasoa Christine.

Ady amin’ny tsifandriampahalemana

Isan’ny nivoitra tamin’ny lahatenin-dRazanamahasoa Christine ny momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, izay manjaka tokoa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nanentana ireo mpitondra isan-tsokajiny izy, noho izany, mba samy handray andraikitra mafimafy kokoa, manoloana ireo tranga maro karazana miseho, toy ny famonoana olona sy ny fakana an-keriny manerana an’i Madagasikara. Tsy tokony hikombona ny mpitondra fanjakana mahefa, araka ny nambarany, amin’ny fitadiavam-bahaolana manoloana ny fahasarotana iainana amin’izao fotoana. Namporisihany ny mba hihainoan’izy ireo izay rehetra afaka manolotra hevitra tsara, mba hahatrarana ny tanjona iraisana. Isan’ireo mety manan-kevitra tsara mampandroso, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, ny mpahay hary, ny vondron’ny mpandraharaha, ny ara-toekarena, sns, satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra.

Lany tsy nasiam-panitsiana

Nizotra ara-dalàna ity fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena ity, raha ny fanamarihana nataon-dRazanamahasoa Christine, satria samy lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana avokoa ireo volavolan-dalàna roa izay naroso teny Tsimbazaza. Raha tsiahivina dia ny fandaniana ny volavolan-dalàna laharana 002/2024/PL tamin’ny 24 janoary 2024, izay mameno sy manova ny andininy sasantsasany ao anatin'ny fehezan-dalàna famaizana Malagasy, mikasika ny fanolanana, no isan’ny antony niantsoana izao fivoriana izao. Teo ihany koa ny fandaniana ny volavolan-drijantenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny lalàna lf 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014 momba ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Fa ny lahadinika voalohany indrindra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireo Parlemantera dia niompana tamin’ny fanazavana ny Fandaharanasa ankapoben’ny Fanjakana (PGE).

Androany tolakandro ihany koa no hamarana amin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoanany, eny amin’ny Lapan’Anosikely, ny Antenimierandoholona.

Lire la suite

Articles Similaires