• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Antetezana Afovoany : Ny iray mamaky ireo fiara mijanona, ny iray manendaka ireo mpandalo

18/03/2023 08:02 © Midi Madagasikara

Anisan’ny toerana iray efa fanta-daza loatra ary sokajian’ny maro ho faritra mena amin’ny resaka tsy fandriampahalemana iny akaikin’ny Cenam, etsy Antetezana Afovoany iny. Efa tsy vitsy ireo lasibatra teo amin’izany toerana izany.

Ny talata lasa teo, efa zatra ny lalan-dririnina loatra angamba ireto olon-dratsy ka teo ambany mason’ireo pôlisy nanao fisafoana mihitsy izy ireo no nanao ny asa ratsiny. Ny iray niezaka mangalatra ireo kojakojam-piara izay miantsona eo amin’ny sisin-dalana hoy ny fanazavana azo. Ary ny anankiray kosa tsikaritr’izy ireo teo am-panendahana ireo mpandalo amin’iny lalana iny. Izay toe-javatra izay mihitsy no antony nametrahan’ny pôlisy misahana izany faritra iny, ny teo anivon’ny kaomisarian’ny boriboritany fahefatra, paikady manokana hitiliana ireo tontakely.

Tafalatsaka tao anatin’ny haraton’izy ireo araka izany ireto olon-dratsy ireto. Tsy vitan’izy roa lahy ireto ihany anefa no voasambotry ny pôlisy tamin’io fotoana io fa nisy lehilahy lehibe iray ihany koa, nivoaka avy any tany anaty elakelan-trano tany tany, nampiahiahy tanteraka. Manodidina ny 57 taona any ingahirainy ary rehefa nofotorana dia fantatra fa vao avy namaky tranon’olona teny amin’ny manodidina iny. Samy nentina nihazo ny birao avy hatrany izy telo lahy ireto ho amin’ny famotorana, mialohan’ny nanolorana azy ireo teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo