Fahasalamana : Hamafisina ny fiomanana amin’ny aretina kolera ao amin’ny faritra Boeny
Nanatanteraka fitsidihana ny Toerana fitsaboana ny kolera (CTC) tao amin’ny Centre Hospitalier Universitaire (CHU) Mahajanga ny OMS Madagascar, niaraka tamin’ny Masoivohon’i Frantsa ary ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Natao izany, hijerena ny fandrosoan’ny asa mikasika ny fiomanana amin’ity areti-mandoza ity. Nandritra izany dia nohamafisina ihany koa ny asa fiarovana mba tsy ho tampoka ny fidiran’ny aretina, raha sendra misy.
Fampitaovana ny CTC
Aretina mahafaty vetivety ny kolera izay azo avy amin’ny loto samihafa. Zava-doza mihitsy izy satria areti-mifindra, izay vetivety ihany koa ny fomba fifindrany. Ity fidinana an-sehatra ity dia natao indrindra mba hanatsarana ny fisorohana mialoha sy hanamorana ny fitiliana mialoha sy ny fitantanana ny tranga any amin’ireo distrika efatra atahorana. Ho fanatanterahana izany asa izany dia nanampy fitaovana ho an’ny CTC i France. Natsangana ny tobim-pitsaboana vonjimaika misy fandriana miisa 20 ary mpiasan'ny fahasalamana maherin'ny 80 no nampiofanina. Farany dia napetraka mialoha tao amin'ny CTC ireo tahiry ara-pitsaboana tena ilaina sy tsy maintsy ho ampiasaina raha sendra tafiditra ilay aretina.
Tsara ny manamarika fa ny Minisiteran’ny Europe sy ny raharaham-bahiny no mamatsy vola ity asa ity.
Mbola tsy misy voan’ny kolera eto Madagasikara
Efa herintaona mahery izay no nanambarana ofisialy ny fisian’ny aretina kolera tao amin’ny faritanin’ny Nosy Comores. I Mahajanga no toerana akaiky azy indrindra ka nahiana ny mety hidiran’io aretina io eto Madagasikara. Noho ireo ezaka samihafa notanterahina kosa dia mbola tsy tafiditra eto Madagasikara io aretina io, hatreto (zéro cas). Mila hamafisina hatrany anefa ny aretina satria mbola mitohy ny fifindrany ao amin’io Nosy io. Efa olona maherin’ny 10 000 no tratran’izany hatramin’izao. Nilaza kosa anefa ny avy any an-toerana fa efa manomboka voafehy ny aretina na dia mbola ilaina hatrany aza ny fahamailoana sy ny fiomanana.
Ankoatra ireo fampitaovana, araka izany dia noentanina sy namafisina ny fahalalan’ireo mponina mikasika ny fahadiovana. Ity farany ity izay isan’ny fomba voalohany hiarovana momba io aretina io.