Yas semi-marathon 2025 : Ny 25 mey izao no fotoana, amin’ny halavirana 21 km
Ny ligin'Analamanga no mikarakara ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara amin’ny fifaninanana hazakazaka lavitr’ezaka « semi-marathon », amin’ity taona 2025 ity. Ny 25 mey ho avy izao no hanatanterahana izany, eto Antananarivo.
Andiany faha-5 ny « semi-marathon », eo ambany fiahan’ny federasiônina malagasin’ny atletisma, fa andiany voalohany kosa izy, mitondra ny anarana « Yas semi-marathon ». Araka izany, mpanohana voalohany ity hetsika ara-panatanjahantena ity ny orinasan-tserasera Yas Madagascar.
Hazakazaka lavitr’ezaka 21 km
Hizara telo ireo hetsika hotanterahina amin’io andro io. Voalohany amin’izany ny hazakazaka lavitr’ezaka amin’ny halaviran-dalana mirefy 21km, izay natokana ho an’ireo mpihazakazaka manana kara-pilalaovana manan-kery ho an’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Hiainga eo amin’ny kianjan’Alarobia ny fifaninanana, amin’ny 8 ora maraina, hihazo an’i Tsarasaotra, Ankorondrano, Ankazomanga, lalan’i Masay, Amboditsiry… ary miverina eny amin’ny Kianjan’Alarobia ihany. Samy manana mpandray anjara amin’ity fifaninana ity avokoa ireo ligin’ny atletisma miisa 14. Nahatratra 140 no nandray anjara tamin'ny « semi-marathon » andiany faha-4 tamin’ny taon-dasa, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiôna malagasin’ny atletisma, Raherison Dominique.
Ho an’ireo tsy manana kara-pilalaovana, nefa te handray anjara amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka toy izao, dia nanomana fifaninanana ho azy ireo ny ligin’Analamanga. Mirefy 11 km ny halaviran-dalana ho azy ireo, miainga eny amin’ny kianjan’Alarobia ary mifarana eny ihany koa. Mizara ho sokajy telo ireo atleta : U20, U35 sy U45 no ho mihoatra. Misokatra manomboka androany ny fisoratana anarana, ho an’izay liana amin’izany.
Andro eran-tany ho an’ny Kids' Athletics
Hetsika fahatelo hotanterahina amin’io fotoana io ihany koa ny fanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny Kids' Athletics (Journée Mondiale du Kids' Athletics), izay manana tanjona ny hampiroborobo ny taranja atletisma an-tsekoly sy eo anivon’ny ankizy. Ny 7 mey moa no tena daty fankalazana azy ity, isan-taona. Misokatra ho an’ireo ankizy 8 hatramin’ny 12 taona ny fifaninanana karakaraina ho amin’izany, ao amin’ny kianjan’Alarobia hatrany.
Amin’ny maha-mpanohana voalohany ny Yas dia nampanantena loka goavana sy mihatsara hatrany ny tomponandraikitra, sady nanamafy fa vonona foana amin'ny fiaraha-miasa, ho fanohanana ny federasiônina fa indrindra, ho fanohanana ireo atleta.