Famokarana : Nahitana fihenana hatramin’ny 14% ny vokatra voanjo tao Menabe
Somary ratsy ny vokatra voanjo asara ho an’ny faritra Menabe, tamin’ity taona 2025 ity. Raha oharina amin’ny taona 2024 dia nihena hatramin’ny 14 % izany. Tombanana ho eo ho eo amin’ny 8 600 taonina eo izany ; raha nihoatra ny 15 000 taonina izy ny taona 2024.
Fiovan’ny toetrandro
Efa nanomboka ny volana aprily lasa teo ny fiakaran’ny vokatra ary mitohy amin'ity volana may ity izany. Raha ny fanazavana avy amin’ny Fitaleavam-paritra ny fambolena sy ny fiompiana ao Menabe (DRAE Menabe) dia vokatry ny fiovan’ny toetr’andro no nahatonga ity faharatsian’ny vokatra ity. Isan’ny antony voalaza tao anatin’izany ny fahataran'ny fiavian'ny rotsak'orana, izay narahana orana betsaka nihoatra ny filan'ny voly voanjo indray taty aoriana, hany ka nisy fiantraikany tamin'ny taham-bokatra. Olana ara-boajanahary izany ka tsy misy azon’ireo tantsaha atao manoloana azy.
Isan’ny faritra mpamokatra voanjo betsaka indrindra eto Madagasikara i Menabe. Distrika miisa 5 no tena misy izany, ahitana an’i Mahabo, Belo tsiribihina, Miandrivazo ary Morondava sy Manja. Marihina fa efa manana milina afaka manodina ny voanjo ho lasa menaka ihany koa i Menabe amin’izao fotoana izao. Heverina hamatsy an’i Madagasikara manontolo izany.
Vahaolana maharitra
Manoloana io fihenan’ny vokatra io sy hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro ary mba hanatsarana ny vokatra amin'ny taom-pambolena manaraka dia nikaro-bahaolana ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana amin'ny alalan'ny DRAE Menabe. Ao anatiny ny fanamafisana ny fanapariahana ny fomba fambolena agroekolojika izay iarahan'ny DRAE Menabe amin'ireo Fandaharanasa sy Tetikasa ary Mpiara-miombon'antoka samihafa. Efa misy mampiasa ihany izany saingy ho velarina bebe kokoa.
Haparitaka amin'ireo tantsaha ireo ihany koa ny masomboly voafantina izay efa natomboka tamin'ity taona 2025 ity ny famokarana azy. Niaraka tamin’izany ny ONG Durrell, Tetikasa PURPA ary ny FOFIFA. Ny voanjo Fleur onze moa hatreto no tena mahaliana ireo mpamboly ; izay sady natao hahazaka ny teotrandro any an-toerana.
Etsy ankilany dia hatsaraina ny fitadiavana lalam-barotra sy mpividy vokatra maro iarahan'ireo Ministera voakasika mba hanatsarana ny vidim-bokatra izay mampitaraina ny Tantsaha.