• Cours de change
  • 4609.6 AR
  • |
  • $4371.22 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Salon des Femmes Entrepreneures 2023 : Vehivavy mandraharaha, mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena

17/03/2023 21:57 © Moov.Mg

Nosokafana anio maraina ny "Salon des Femmes Entrepreneures 2023". Mbola tafiditra anatin'ireo hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy izany. Mitohy rahampitso sy ny alahady moa ny SAFE 2023, etsy amin'ny NOVOTEL Alarobia.

Fampafahantarana ireo orinasa natsangan'ny vehivavy

Tsy mitsaha-mitombo ireo vehivavy misafidy ny handraharaha. Efa maro araka izany ireo orinasa izay natsangana sy tantanan'ny vehivavy. Ny "Salon des Femmes Entrepreneures 2023" na SAFE 2023 dia natao indrindra mba hampirantiana ireo vokatra miavaka noketrehin'ireo vehivavy mpandraharaha. Misy amin'izy ireo no tsy mijanona amin'ny famatsiana ny tsena anatiny, fa sady misehatra amin'ny fanondranana entana any ivelany.
Nanotrona ny fanokafana ny hetsika ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Ramatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo izay reny mpiahy ity hetsika ity, sy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fiofanana Arak’asa, Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella. Teo ihany koa ireo solontenan’ireo mpiaramiombon’antoka toa ny ny Solontena Maharitry ny Banky Iraisam-pirenena, Marie-Chantal Uwanyiligira.

Fampitovian-jo, tanjona iraisana

Mbola sahirana ny vehivavy ankehitriny eo amin'ny arak'asa. Maro mantsy ny orinasa no manome karama ambony kokoa ny lehilahy. Misy ihany koa ireo tsy mety mampiasa vehivavy noho ny antony maro. Tsy adino ireo ray aman-dreny tsy mbola mampianatra ny ankizivavy, indrindra moa fa ireo any ambanivohitra. Izany rehetra izany indrindra no mila ovaina.
Tsy vitsy ireo orinasa efa manome lanja ny vehivavy. Manana fahaiza-manao miavaka tokoa mantsy ny andriambavilanitra. Ho an'ny Groupe Axian, izay tarihin'Andriamatoa Hassanein Hiridjee izao dia efa mihoatra ny 40% ny tahan'ireo vehivavy. Misy amin'izy ireo tokoa no manana toerana ambony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo