• Cours de change
  • 5153.51 AR
  • |
  • $4483.52 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Alaotra Mangoro : Nojerena ny fomba hampiakarana ny tahan’ny voka-bary

08/12/2025 14:45 © Moov

Mbola mijanona ho sompitr’i Madagasikara amin’ny vary hatrany ny faritra Alaotra Mangoro. Hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia nijery ny fomba hahafahana mampiakatra ny vokatra, tany an-toerana, ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Rasatarimanana José Nirina.

Hatsaraina ny masomboly

Tao Amparafaravola sy Ambatondrazaka no nanaovana ny fitsidihana. Miaina sakana maro isan-karazany ny fampitomboana ny vokatra ka vahaolana azo hampiharina avy hatrany no naroso. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny masomboly haparitaka, izay tena miantoka ny fahabetsahan’ny vokatra. Tao anatin’izany dia nilaza ny Minisitra fa haverina amin’ny fanjakana ny tany ao Anosiboribory, toerana misy ny ivontoeram-pamokarana masomboly. Ity hetsika ity dia hiarahana amin’ny ministera misahana ny fanajariana ny tany, mba hahafahan’ny tantsaha miasa am-pilaminana.
Etsy ankilany moa dia hotohizana ny fizarana masomboly, zezika ary fitaovam-pamokarana amin’ny alalan’ny tetikasa RizPlus. Hasiana fanatsarana ihany koa ny ao amin’ny fikambanan'ireo mpampiasa rano mba hisian'ny mangarahara ary hisy tamberim-bidy azo tsapain-tanana. Nentanina ny tantsaha hampiasa masomboly voafantina, voamarina ary mahatanty ny fiovan’ny toetr’andro.
Etsy andaniny dia isan’ny miantoka ny antom-piveloman’ny olona ihany koa ny fiompiana sy ny famokarana legioma ary voamaina. Hampivoarina izy ireo mba hahafahana mivelona araka ny tokony ho izy ka ho afaka manampy ny hery enti-mamboly vary.

Hamafisina sy havaozina ny fotodrafitrasa

Miantoka ny fitombon’ny vokatra ihany koa ny fotodrafitrasa ampiasaina. Nandritra ny fidinana ifotony dia nojerena ireo fefiloha vitsivitsy vaky efa herintaona. Hafainganina ny fanamboarana vonjimaika sy maharitra azy ireo. Ao anatin’izany ny Fefiloha Ampariatody, izay miaro lemaka 3 500 ha, nefa betsaka no tsy azo volena noho ny tondradrano sy fasika. Eo ihany koa ny fefiloha iray hafa manondraka 3 600 ha izay efa nisy fanamboarana vonjimaika saingy mila fanamafisana. Ho an’ny Distrikan’Amparafaravola kosa dia hafainganina ihany koa ny fanamboarana ny tohadrano ao Sahamaloto. Izy io izay tokony hanondraka 10 000 ha. Tsy nisy fanavaozana hatramin’ny 1988, ka nihena be ny velaran-tany azo volena.
Tanjon’ny Fitondram-panjakana amin’izany rehetra izany dia ny mba tsy hiankinan-doha amin’ny any ivelany intsony, indrindra amin’ny vary, izay foto-tsakafon’ny Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires