Ambohimanarina : Zazakely iray maty sempotry ny Letchi
Zaza tsy ampy roa taona no namoy ny ainy ny maraina teo, noho ny fihinanana letchi. Voatelin'ilay zaza ilay voankazo ka nanentsina ny lalan-drivony.
Anisan'ny voankazo mahasalama sady mora tokoa ny Letchi, amin'izao vanim-potoan'ny orana izao. Mety hitera-doza nefa ny fihinanana azy raha tsy mitandrina.
Ala nenina
Nikoropaka ny mponina teny Ambohimanarina noho ny fisiana zaza iray kendan'ny Letchi. Nifamonjen'ny manodidina ilay zazakely, ary nentina teny amin'ny CSB mihitsy. Indrisy nefa fa efa sempotra tanteraka ilay zaza ka tsy tana intsony ny ainy.
Araka ny angom-baovao, mpitaiza no nitazona ilay zaza tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza. Niasa ireo ray aman-dreniny ka namela ilay zaza tamin'ny "mpanampy". Ny voan'ny Letchi avy nihinanan'io mpitaiza io no noraisin'ilay zaza ka nohaniny ary voateliny.
Fitandremana
Andraisana lesona izao tranga mampalahelo izao, mba ho samy mailo ny ray aman-dreny sy ny mpitaiza rehetra. Voakasik'izany ihany koa ny sokajin-taona rehetra, na inona na inona andraikitra sahanina. Ho an'ny Letchi manokana, malama na ny nofony na ny voany ka mora misosa. Manentsina lalandrivotra nefa izany ka mitarika hatramin'ny fahafatesana mihitsy. Mety hitera-doza io voankazo io, na ho an'ny kely na ho an'ny lehibe.
Raha mitaiza zaza latsaky ny 10 taona, tsara raha esorina foana ny voan'ny voankazo omena azy, indrindra ny letchi sy ny paiso. Mila fanaraha-maso hatrany ny zaza sy ny ankizy amin'izay sakafo na zava-pisotro rehetra raisiny. Raha toa ka kenda ny zaza, izany hoe misy manakana ao amin'ny tendany, raisina amin'ny tongony izy dia kapohina ny lamosiny. Amporisihina ihany koa ny famonjena toeram-pitsaboana farak'izay haingana.



