• Cours de change
  • 5143.69 AR
  • |
  • $4448.56 AR
Copyright Image : © Andry Ratsivahiny
Image
Vaovao

Tambajotra vaovao eo anivon’ny Antenimierampirenena : Hanatsara ireo lalàna mifandraika amin’ny mponina

13/08/2025 12:22 © Moov.Mg

Nanangana tambajotra iray vaovao, izay hisahana manokana ireo lalàna mifandraika amin’ny mponina ny eo anivon’ny Antenimierampirenena, izay nampitondraina ny anarana hoe : Tambazotra Parlemantera ho an’ny Mponina.

Lalàna mahasoa ny mponina

Nandritra ny atrikasa notanterahina nanomboka omaly 12 aogositra 2025, teny Antaninarenina, ary hitohy hatramin’ny androany 13 aogositra 2025, no nananganana ity Tambazotra Parlemantera ho an’ny Mponina ity. Tanjona ny hamondronana ireo solombavambahoaka izay hametraka ny mahasoa ny mponina ho ivon’ny asa hotanterahin’izy ireo, indrindra amin’ny famolavolana sy fanatsarana ny lalàna mifandraika amin’ny mponina.

Araka ny fanazavan# Ramatoa Andrianasolo Nadine, Kestora faharoa eo anivon’ny Antenimierampirenena, izay nitarika ny fotoana omaly, dia manana ny laharam-pahamehany ity tambajotra ity. Isan’izany ny ady amin’ny fanilikilihana, indrindra ireo olona tsimanantsata (apatride) ; ny fanatsarana ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena malagasy, mba hanjakan'ny fitoviana ; ary koa ny fampanajana ny zon’olombelona sy ny fiarovana ireo vondron’olona marefo.

Hanara-maso ny asa mifandraika amin’ny mponina

Najoro nandritra ity atrikasa ity ny birao hitantana ny Tambazotra Parlemantera ho an’ny Mponina. Rtoa Sylvie Liva Gervais, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Besalampy, no voafidy ho filoha. Filoha lefitra kosa ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Betroka, Nicolas Randrianasolo. Mpampaka-teny voalohany ny depioten’i Madagasikaa voafidy tany Fenoarivo Atsinanana, Michelle Angelica Bavy, ary mpampakateny lefitra ny depioten’Antsimondrano, Andrianiony Ratsivahinisolo.

Fiaraha-miasan’ny Antenimierampirenena tamin’ny Kaomisaria Ambonin'ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Mpitsoa-ponenana (HCR) sy ny fikambanana Focus Développement, no nahafahana nanangana ity tambajotra ity. Ho rafitra maharitra, izay hanohy sy hanara-maso ny asa mifandraika amin’ny mponina, araka izany, ity Tambazotra Parlemantera ho an’ny Mponina ity.

Lire la suite

Articles Similaires