• Cours de change
  • 5135.9 AR
  • |
  • $4425.24 AR
Copyright Image : © Afd
Image
Vaovao

FORMAPRO Madagasikara: Manofana matihanina vaovao ho amin'ny fanorenana fotodrafitrasa

12/02/2025 16:10 © Moov

Mitombo ny fikarohana mpiasa mahafeno fepetra eo amin’ny sehatry ny fanorenana sy ny asa vaventy (BTP) eto Madagasikara. Entina hamaliana izany fanamby izany dia natomboka ny dingana faharoa amin’ny tetikasa FORMAPRO Madagascar, izay miompana amin’ny fanavaozana ny fiofanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora. Mikendry ny hanatsara ny fahafahan'ny tanora miasa ary manohana ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina sy ny orinasa izany.

Hamaly ny fepetra takian'ny tsena

Nisy ny fihaonana teo amin’ny Tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (MESUPRES), ny sekretera jeneraly sy ny delegasiona avy amin’ny FORMAPRO Madagascar. Nahafahana namaritra izay fiofanana rehetra ho atao izany, mba hamaly ny filàn’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara. Tsy adino ny laharam-pahamehan’ny fanjakana eo amin'ny tontolon'ny asa. Mikendry indrindra ny hampivelatra karazana fampianarana vaovao kokoa mifanaraka amin'ny zava-misy ara-toekarena eto amin'ny firenena izany ity fiaraha-miasa ity.

Fanavaozana amin’ny fampianarana ambony

Anisan’ny tanjon’ny tetikasa ihany koa ny fampiroboroboana ny fampiofanana ireo tanora, indrindra fa ny tovovavy, amin’ny fiofanana momba ny fanorenana na ny fotodrafitrasa. Tsara ny manamarika fa efa miha-maro ireo vehivavy liana amin'ny BTP.
Mikasika ny fikarohana karazam-pampiofanana vaovao, ny FORMAPRO dia mikatsaka ny hampiovaova ny olona azo raisina hiasa amin’ity sehatra lehibe amin'ny fampandrosoana ny firenena ity. Tanjona amin'izany ny mba hialàna amin’ny hoe « tanora tsy manana fahaiza-manao ». Isan’ny làlana stratejika hanatrarana tsy azo ialàna izany ny fanavaozana amin'ny fampianarana ambony.
Efa mijoro eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa miisa dimy sy toeram-pampianarana ambony roa ny tetikasa amin’izao fotoana izao. Mbola miezaka ny hanitatra hatrany ny asan’izy ireo anefa ny FORMAPRO. Isan’izany ny hampiofana tanora vaovao ho manam-pahaizana sy afaka miatrika ny olan’ny fotodrafitrasa maoderina eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires